Dans la mme rubrique

Ketrika.com Efa manao « livraison » manakaiky hatrany ny mpanjifa

31/03/2020

www.ketrika. com fantatry ny besinimaro amin’ny anarana hoe « ketrika » dia tsy mena mitaha amin’ny hafa tokoa, raha ny eo amin’ny sehatry ny varotra an tserasera na ny « vente en ligne » no resahana.

Ketrika.com Efa manao « livraison » manakaiky hatrany ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Fitokonana sy fitakiana Mafana ny toe-draharaha any amin’ny faritany

31/03/2020

Nilahatra nitety tanàna ary avy eo nitokona nanoloana ny lapan'ny tanànan'i Toamasina avokoa omaly maraina ireo mpitondra tuk tuk any an-toerana.

Fitokonana sy fitakiana Mafana ny toe-draharaha any amin’ny faritany

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery Manabe fa tsy mampiala voly fotsiny

31/03/2020

Amin` izao fihibohana izao dia ny haino aman-jery, indrindra ny televiziona, no sakaizan` ny isan-tokantrano.

Haino aman-jery Manabe fa tsy mampiala voly fotsiny

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

30/03/2020

Azo tsaboina tsara ny Coronavirus ka tsy tokony hampatahotra, fa ny fiparitahany be no manahirana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo.

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

Hamaky ny tohiny...

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

30/03/2020

Nanomboka ny sabotsy teo ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpamily fiara karetsaka sy taxi-be ary ireo mpanampy azy eto amintsika tafiditra ao anatin’ilay plan d’urgence sociale,

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

Hamaky ny tohiny...

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

30/03/2020

Noho ny fepetra noraisina amin’ny tsy fahafaha-mivoaka, dia tsy nisy ny famoriam-bahoaka amin’ny fahatsiarovana ny 29 martsa.

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

30/03/2020

Nanaovan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolotsaina tarihin-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo fampitandremana na “Lettre de mise en demeure” ny haino

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Arizaka Rabekoto Raoul Namoahan’ny Bianco didy fampikarohana

27/02/2020

Nivoaka omaly alarobia 26 febroary 2020 ny didy fampikarohana sy fampisamborana avy hatrany an-dRabekoto Arizaka Raoul, Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha,

 

 

ary filohan’ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra amin’izao fotoana izao. Ny Bianco no nanao ny fampikarohana, ka nampahafantarina izany avokoa ny fiadidian’ny fitandroana filaminana, dia  ny zandarimariam-pirenena, ny eo anivon’ny filaminam-bahoaka, ny sampandraharaha mpanara-maso ny sisin-tany,… Ambara fa nanodinkodina volabe teo anivon’ny CNaPS ny tenany. Anisan’ny noresahina ny fisiana volan’ny CNaPS tafiditra tao anatin’ny Air Madagascar tamin’ny alalan’ny Air Austral izay manana petra-bola ao amin’io kaompania Malagasy io noho izy mpiara-miombon’antoka ara-stratejika. Efa namoahan’ny fanjakana tamin’ny anaran’ny minisiteran’ny atitany didy mandrara tsy fahafahana mivoaka ny sisin-taninin’i Madagasikara na IST ny tenany. Nangataka fandravana sy fampiatoana izany tany amin’ny Filankevi-panjakana, saingy tsy nahazo rariny. Voalaza fa tafavoaka ny firenena ihany anefa izy, ka tany Nosy Be Hell Ville no nivoahany an’i Madagasikara, ka nihazo an’i La Réunion. Nandalo an’i Kenya, ary efa any Zurich any Suisse, hoy hatrany ny vaovao omaly. Tsy hay na fifandrifian-javatra ihany ilay any Jurich satria io no tanàna misy ny Foiben’ny Federasionina Iraisam-pirenena ho an’ny Baolina kitra na ny FIFA. Misy dian-tanan’ny FIFA ve ny fivoahany teto ? Hafahafa ihany koa anefa etsy an-daniny ny didy fampikarohana izay eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Midika ve izany io fa mbola mieritreritra ny fanjakana hoe eto Madasigara ny Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha ? Avo lenta ity raharaha ity. Goragora ve ny fiambenana sy ny fanaraha-maso ny sisin-tanin’i Madagasikara sa mety olona avy ao anaty fanjakana ihany no nanamora ny famoahana azy ? Na izany aza misy ny mihevitra fa toa misy endrika valifaty politika. Ny tontolon’ny kitra mihitsy no ho potika indray, raha izany tokoa no ao ambadika. Raikitra ny fanenjehan’ny Bianco sy ny didy fampisamborana. Firy anefa ireo depiote, minisitra izay manana lamba maloto saingy tsy azo kitihina satria mbola eo amin’ny fitondràna. Azo hatao tsara ny manenjika fa kosa mba hiandrasana ny fahavitan’ny fe-potoana tsy maha filohan’ny federasiona azy intsony, hoy ny fanehoan-kevitra azo. Firifiry marina tokoa moa ireo dosie maloto toa mbola miandry na nampanginina kanefa itony izao tena hihazakazahana mafy ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana