Dans la męme rubrique

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

06/04/2020

Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

Hamaky ny tohiny...

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

06/04/2020

Ny sabotsy lasa teo no nandray ireo filoham-piangonana eo anivon` ny FFKM, sy ireo filohanĂ  andrim-panjakana,

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

06/04/2020

Fanalam-baraka, manosika ny olona tsy hitia ny filoham-pirenena no ambara fa vesatra hanenjehana an-dRahelisoa,

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitsarana momba ny kaonty Nanadihady ny SAMVA sy ny minisiteran’ny fahasalamana

27/02/2020

Notontosaina ny marainan'ny omaly alarobia 26 febroary 2020 tao amin'ny Fitsarana ara-bola Antananarivo

 

 

ny tatitra ampahibemaso momba ny fanaraha-maso ny volam-panjakana nandritra ny taom-piasana 2018-2019. Rehefa nampahafantatra ny lalàna mifehy ny asany ny Fitsarana momba ny kaonty sy ny Fitsarana ara-bola ny Mpampanoa, dia niroso avy hatrany tamin'ny fizarana ny ampahany amin'ny tatitra ny mpanolotsaina avy ao amin'ny Fitsarana ara-bola Antananarivo. Isan’izany ny fandinihana ny fitantanana ny "Bureau du Cadastre Minier de Madagascar" (BCMM), ny vokatry ny fitsirihana tao amin'ny "Société Autonome pour la Maintenance de la Ville d'Antananarivo" (SAMVA), ny vokatry ny fanaraha-maso ny tsenambaro-panjakana, teo anivon'ny minisiteran'ny fahasalaman-bahoaka, sy ny minisiteran'ny mponina, ny fiarovana ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana ny vehivavy. Anisan’ny niantefan’ny ahiahy sy ny fitarainana momba ny fikirakirana sy fitantanam-bola moa ireo sampandraharaha sy departemanta ireo. Raha namarana ny lanonam-pitsarana manetriketrika ny filohan’ny Fitsarana ara-bola Antananarivo, dia nanamarika fa tsy tsikera no tanjon'ny tatitra nentin'izy ireo fa ho fanatsarana ny fomba fiasa; hampirindra ny asa sy ny fitantanam-bolam-panjakana, eny anivon'ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana indrindra indrindra. Tonga nanome voninahitra ny fotoana, nisolotena ny Mpitahiry ny kasem-panjakana moa ny sekretera jeneraly eto amin'ny minisiteran'ny fitsarana, Andriamatoa Imbiki Herilaza.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana