Dans la męme rubrique

Kaominina Antananarivo renivohitra Hanomboka ny asa fanamboaran-dalana

09/04/2020

Araka ny fampanantenana nataon'ny filoha Andry Rajoelina dia hisy ny asa fanamboaran-dalana hatao amin'izao fotoanan'ny fihibohana tsy hahafahan'ny fiara mifamezivezy izao.

Kaominina Antananarivo renivohitra Hanomboka ny asa fanamboaran-dalana

Hamaky ny tohiny...

Fahasosorana anaty fiarahamonina Miroborobo firehitra toy ny afon-jozoro

09/04/2020

Faritra maro no mbola tsy misitraka ny fanomezana atolotry ny fanjakana na ilay teo aloha na ny rafitra loharano ankehitriny.

Fahasosorana anaty fiarahamonina Miroborobo firehitra toy ny afon-jozoro

Hamaky ny tohiny...

Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony Hisy fanisam-bahoaka, homena tohana manokana

09/04/2020

Ny zava-dehibe hataontsika, izay nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena dia ny resaka “digitalisation” eny amin’ny fokontany, hoy ny Filoha.

Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony Hisy fanisam-bahoaka, homena tohana manokana

Hamaky ny tohiny...

Vaky vava ingahy Filoha Tena sarotra alamina ny Malagasy

09/04/2020

Ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina ankehitriny dia 93. Ny mahafaly dia ny hoe na mitombo aza ny voa, dia 11 no sitrana.

Vaky vava ingahy Filoha Tena sarotra alamina ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Olona manana fahasembanana Hozaraina vatsy ihany koa

09/04/2020

Tsy dia voaresaka loatra ireo olona manana fahasembanana ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao, ankoatra ireo zokiolona.

Olona manana fahasembanana Hozaraina vatsy ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Orinasa afaka haba Manomboka misesy ny fandefasana «chômage technique »

08/04/2020

Mitombo isa hatrany ny tsy an’asa eto amintsika. Ho an’ny orinasa afaka haba dia efa nanomboka tamin’ny volana Janoary lasa teo izy ireny no nanala mpiasa tsikelikely noho ny tsy fisian’ireo akora fototra hafarana avy any ivelany hampiasainy

Orinasa afaka haba Manomboka misesy ny fandefasana «chômage technique »

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra kiraro fripy Matiantoka tanteraka

08/04/2020

Velon-taraina tanteraka ireo mpivarotra kiraro fripy amin’izao fotoana izao nohon’ny fatiantoka mahazo azy ireo.

Mpivarotra kiraro fripy Matiantoka tanteraka

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fanafihana mitam-piadiana Nandriaka ny ra, lasa ny vola 14 tapitrisa Ar

24/02/2020

Nandriaka ny ra teny Malaza Andoharanofotsy. Vola hakana entana moa no nalainy.

Fiara iray handeha haka entana no notafihina jiolahy maromaro. Moto scooter  3 mitondra olona 2 avy izy ireo no nanao ny fanafihana, raha ny fanazavana vonjimaika. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nosakanan’ireo jiolahy teo afovoan’ny arabe ilay fiara. Notifiriny avy eo ny kodiarany ary nalainy tany amin’ilay Ramatoa saika hividy entana ilay vola 14 tapitrisa Ar. Notakiany tany amin’ilay mpamily taorian’izay ny fanalahidin’ilay fiara saingy tsy nanaiky ity farany. Avy hatrany dia notifirin’ireo jiolahy ihany koa ny tendakelin’ity mpamily ity, antony nampandriaka ny ra teny an-toerana. Na izany aza tsy maty ity farany fa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Nitsoaka ireo jiolahy rehefa vita ny nataony. Minitra vitsy taorian’izay dia tonga nandray an-tanana ny zava-misy ny mpitandro ny filaminana. Tokony ho mailo ny rehetra manoloana ny trangan-javatra tahaka izao, indrindra fa ireo mitondra volabe. Raha ny fanadihadiana dia efa malaza eny amin’ny manodidina an’i Tanjombato sy Andoharanofotsy iny ny andian-jiolahy antsoina hoe « bande des 5 ». Latsaka ary hita teo amin’ny toerana nisehoan’ny fanafihana ny “douille” an’ny bala izay nitifirana ireo lasibatra izay ahiana ho balana mpitandro ny filaminana. Ny fanadihadiana anefa no hamaritra sy tokony hamoaka ny marina miainga amin’ny fanadihadiana ny laharana misoratra eo amin’ilay “douille” ka mivoaka ho azy eo ny marina sy ny tena fiavian’ny bala na tena ana mpitandro filaminana tokoa na avy any an-kafa mihitsy. Maro ny fitaovam-piadiana miparitaka eto amintsika, ary tena raitra dia raitra ny eny am-pelatanan’ny jiolahy. Toa maneho fa misy ary henjana ny trafikana fitaovam-piadiana eto Madagasikara.

Toky R sy Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana