Dans la mme rubrique

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

07/04/2020

Miady amin’ny zavatra tsy fantatra sy tsy nampoizina, izay mila fahakingana. Tsy sanatriavin’ny vava mitady toerana sy mitady fahefana aho, fa te hanampy, te hizara traikefa, hoy i Marc Ravalomanana omaly tamina fandaharana manokana.

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

Hamaky ny tohiny...

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

06/04/2020

Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

Hamaky ny tohiny...

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

06/04/2020

Ny sabotsy lasa teo no nandray ireo filoham-piangonana eo anivon` ny FFKM, sy ireo filohanà andrim-panjakana,

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

06/04/2020

Fanalam-baraka, manosika ny olona tsy hitia ny filoham-pirenena no ambara fa vesatra hanenjehana an-dRahelisoa,

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

24/02/2020

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo mpanakanto, nahitana an’i Mamy Gotso, notronin’i Tsiliva,

 izay sady solombavambahoaka, sy i Ta Tence, manoloana ny raharaha nahafatesan’ny mpanakanto mpandrindra feo, Alain Boutre, tao amin’ny hopitaly Befelatanana. Manana porofo izahay, hoy i Mamy Gotso fa nisy tandrevaka nataon’ny mpitsabo tao. Manana raki-peona dokotera miteny zavatra tsy mety hoe « alefaso any amin’ny morgue amin’izay » ary misy vavolombelona marobe. Raha vao tsy misy, hoy izy, ny fepetra raisina amin’ireo hopitalim-panjakana mpamonovono olona ireo, indrindra fa io Befelantanana io, amin’ny herinandro ambony dia hahita ireo fa hirodorodo ho eny amin’ny prezidansy eny izahay. Tsy lalaovina ny ain’olombelona fa hopitalim-panjakana io fa tsy an’ny babanareo amin-dreninareo, hoy hatrany ity mpanakanto ity. Tsy maty ilay olona vao mikoropaka hoe hay mpanakanto manana ny hajany be eran’i Madagasikara. Hahita raharaha ireo dokotera fa hampihinaninay an’ireo ny fatin’i Alain, hoy izy, raha tsy misy ny sazy omena an’ireo. Hataonay ampamoaka ho ren’izao tontolo izao ny olana misy ao amin’io hopitaly Befelantanana io. Tsy vao izao no nisiana olana momba ny tontolon’ny fitsaboana eto Madagasikara. Vao tsy ela ny raharaha Tahisy, izay nampidoboka am-ponja ny sakaizany sy ny mpitsabo iray. Ho an’ny Hopitaly HJRA etsy Ampefiloha, dia misy mpitsabo miisa 3 anaovan’ny Bianco fanadihadiana. Io fa vaky ihany koa ny raharaha Alain Boutre. Tsy ny mpitsabo rehetra akory no manao tsirambina sy tandrevaka fa matoa misy ny zavatra toy izao, dia misy tokony hohatsaraina. Tsy vitsy rahateo ny fitarainana mandeha, saingy mety olon-tsotra no lasibatra hatramin’izay, dia tsy afa-manoatra, fa ny niseho tato ho ato kosa dia olobe eto amin’ny tany sy fanjakana, toy ny vadin’ny filoham-pirenena, depiote, mpanakanto,… no mijoro.

J. Mirija sy Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana