Dans la mme rubrique

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

04/04/2020

Sady mahatsikaiky sy mahonena no mampanahy ihany koa ny zava-mitranga ao anatin’izao atao hoe fihibohana amin’ny ampahany na “confinement partiel”

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

Hamaky ny tohiny...

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

04/04/2020

Tena marobe ireo olona manararaotra izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao.

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

Hamaky ny tohiny...

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

04/04/2020

Noho ny fidangan’ny vidim-bary eny an-tsena dia lasa manenjika ireo vary mora tonga eny amin’ny Fokontany avokoa ny ankamaroan’ny olona.

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

04/04/2020

Namoaka fanambarana ireo fikambanan’ny Banky mivondrona ao anatin’ny APB (Association Professionnelle des Banques)

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

04/04/2020

Betsaka ireo olona tonga manolotra izay foiny hanampiana ny mpiara-belona marefo na marary eto amin’ny firenena amin’izao fotoana hiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus eto amintsika izao.

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

Hamaky ny tohiny...

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

04/04/2020

Misy ny ivontoerana Connecteo izay natokan’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana (MICA) handraisana ny laharana maintso 812 iantsoan’ny mpanjifa.

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

03/04/2020

Tsy manana fiara fitaterana ny ankamaroan’ireo orinasa afaka haba eto amintsika. Mandeha taxi-be avokoa ny mpiasa ao aminy izay tena nahatsiaro

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Mpiasan’ny PMU Nisy nantsoina indray ny sasany omaly

21/02/2020

Anisan’ny vaovao nitana ny sain’ny maro hatramin’ny omaly ireo mpiasan’ny PMU Madagascar miisa 800 voatery naato tampoka

 

 

 tamin’ny asany vokatry ny fikatonan’ny toeram-piasan’izy ireo nanomboka ny alatsinainy folakandro teo. Baiko azon’ireo mpiandraikitra ny toeram-pivarotana izany raha araka ny fanadihadiana natao, tsy nisy antony mazava. Nivorivory nanoloana ny PMU Madagascar Antsakaviro avokoa ireo mpiasa rehetra niandry izay ho tohiny, hetsika nitohy hatramin’ny alarobia.  Nivadika  tampoka anefa ny rasa omaly alakamisy  maraina. Araka ny resaka nifanaovana tamina mpiasa iray dia  nantsoina izy ireo ary nilazana fa  hisokatra indray. Anio zoma hoy hatrany ity mpiasa iray ity vao mety hiverina hiasa izy ireo raha tsy misy ny fiovana.  Raha ny tombana moa  dia heverina fa tohin’ilay raharaha fahatapahan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny PMU Madagascar sy ny PMU Frantsa izao trangan-javatra misy  izao. Raha tsiavihina, taorian’ny tsy fifanarahana teo amin’ny fikambanan’ny mpiompy soavaly eto Madagasikara (AHCEL) sy ny PMU Madagascar, dia tapaka ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Ny Ahcel izay tompon’ny fitrandrahana ny hazakazaka-tsoavaly eto Madagasikara. Na dia niakatra fitsarana tany Frantsa aza ny raharaha, dia tsy nahazo rariny ny PMU Madagascar. Efa nanapaka  ny fiaraha-miasany  tamin’ny PMU Madagascar ihany koa  ny PMU France ary ity farany dia efa nandrara ny tsy fahafahan’ny PMU Madagasikara mampilalao amin’ireo hazakazaka any Frantsa karakarain’izy ireo. Vao nanamafy izany moa ny PMU France tamin’ny fiandohan’ity taona 2020 ity.

Pati

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana