Dans la mme rubrique

Kaominina Antananarivo renivohitra Hanomboka ny asa fanamboaran-dalana

09/04/2020

Araka ny fampanantenana nataon'ny filoha Andry Rajoelina dia hisy ny asa fanamboaran-dalana hatao amin'izao fotoanan'ny fihibohana tsy hahafahan'ny fiara mifamezivezy izao.

Kaominina Antananarivo renivohitra Hanomboka ny asa fanamboaran-dalana

Hamaky ny tohiny...

Fahasosorana anaty fiarahamonina Miroborobo firehitra toy ny afon-jozoro

09/04/2020

Faritra maro no mbola tsy misitraka ny fanomezana atolotry ny fanjakana na ilay teo aloha na ny rafitra loharano ankehitriny.

Fahasosorana anaty fiarahamonina Miroborobo firehitra toy ny afon-jozoro

Hamaky ny tohiny...

Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony Hisy fanisam-bahoaka, homena tohana manokana

09/04/2020

Ny zava-dehibe hataontsika, izay nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena dia ny resaka “digitalisation” eny amin’ny fokontany, hoy ny Filoha.

Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony Hisy fanisam-bahoaka, homena tohana manokana

Hamaky ny tohiny...

Vaky vava ingahy Filoha Tena sarotra alamina ny Malagasy

09/04/2020

Ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina ankehitriny dia 93. Ny mahafaly dia ny hoe na mitombo aza ny voa, dia 11 no sitrana.

Vaky vava ingahy Filoha Tena sarotra alamina ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Olona manana fahasembanana Hozaraina vatsy ihany koa

09/04/2020

Tsy dia voaresaka loatra ireo olona manana fahasembanana ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao, ankoatra ireo zokiolona.

Olona manana fahasembanana Hozaraina vatsy ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Orinasa afaka haba Manomboka misesy ny fandefasana «chômage technique »

08/04/2020

Mitombo isa hatrany ny tsy an’asa eto amintsika. Ho an’ny orinasa afaka haba dia efa nanomboka tamin’ny volana Janoary lasa teo izy ireny no nanala mpiasa tsikelikely noho ny tsy fisian’ireo akora fototra hafarana avy any ivelany hampiasainy

Orinasa afaka haba Manomboka misesy ny fandefasana «chômage technique »

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra kiraro fripy Matiantoka tanteraka

08/04/2020

Velon-taraina tanteraka ireo mpivarotra kiraro fripy amin’izao fotoana izao nohon’ny fatiantoka mahazo azy ireo.

Mpivarotra kiraro fripy Matiantoka tanteraka

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Tsenam-baro-panjakana Mitohy ny ezaka hampihenana ny kolikoly

21/02/2020

Sambany no hisy eto amintsika ny oniversite manofana mpianatra ho matihanina amin’ny resaka Tsenam-baro-panjakana ( FACDEGMIA). Ao amin’ny oniversiten’i Toamasina

 

 no hisantarana izany izay nahazoana fankatoavana avy amin’ny Autorité de Regulation des marchés Publics na ny ARMP araka ny fanapahan-kevitra laharana 47-ARM/DG/20. Hisokatra ho an’ireo mpianatra manana ny maripahaizana bac +2 ny fiofanana mba hahazoana ny licence professionnelle amin’ny tsenam-baro-panjakana  mianatra mandritra ny 12 volana. Toraka izany koa ho an’ireo mpianatra manana ny mari-pahaizana licence izay hianatra mandritra ny 24 volana raha te-hahazo ny mari-pahaizana master professionnel amin’ny tsenam-baro-panjakana. Nisokatra omaly alakamisy 20 febroary avokoa ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo mpianatra liana amin’izany hifarana ny 03 aprily raha  ny 10 aprily kosa no hivoaka ny anaran’ireo voaray soa aman-tsara ary ny 13 aprily no hanomboka ny fampianarana. Izany no hatao dia hahafahana mampihena ny kolikoly sy ny  tsy fahaiza-mitantana ny volam-panjakana, izay mitaky olona matihanina tokoa. Raha tsiahivina, tamin’ny taona 1977 no niforona ny FACDEGMIA raha Filière gestion no nahafantarana azy tamin’izany fotoana. Olomanga maro no efa navoakany toy ny minisitra, solombavambahoaka, tale… Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny talen’ny ARMP Razafy Harison Vonjy sy ny sojaben’ny fakiolten’ny lalàna, ny toekarena, ny fitantanana, ny matematika informatika sy ny fampiharana izany Atoa Diny Razanakolona omaly tetsy Anosy.

 

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana