Dans la mme rubrique

Vaka ihany ny saina

09/04/2020

Mivahavaha ny fiheritreretana manoloana ny zava-mitranga rehetra.

Vaka ihany ny saina

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

08/04/2020

Tsy lavina fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika Malagasy amin’izao fotoana izao. Samihafa ny hamehana na ny “Etat d’Urgence”

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

Hamaky ny tohiny...

Fotoana fibebahana

07/04/2020

Ao anatin’ny fankalazana ny herinandro masina moa ankehitriny ny mpino Kristianina.

Fotoana fibebahana

Hamaky ny tohiny...

Mitaky fahamatorana

06/04/2020

Raha misy ny lesona iray tena lehibe tokony ho tsoahan’ny tsirairay, amin’izao fandalovan’ny Coronavirus izao na olom-pirenena io na mpitondra fanjakana dia ny fandaminana.

Mitaky fahamatorana

Hamaky ny tohiny...

Marimpana hafahafa

04/04/2020

Naman’ny atao hoe tontosa izany aloha izay ny andiany voalohany tamin’ny fisedran’i Madagasikara ny fihibohana an-trano hiarovan-tena amin’ny

Marimpana hafahafa

Hamaky ny tohiny...

Mampiroaroa saina

03/04/2020

Adihevitra hatrany am-piandohana ny momba ny fifehezana ny fidiran’ny valanaretina coronavirus, ka nivoahan’ny resaka fanakatonana sisin-tany na fampitsaharana ny sidina avy any Eoropa.

Mampiroaroa saina

Hamaky ny tohiny...

Aiza ny fihainoana ny hafa?

02/04/2020

Na dia miezaka ny mampitony sy mampiseho amin’ny vahoaka malagasy fa mahafehy an’ity fahavalom-pirenena iombonantsika ankehitriny ity aza ny

Aiza ny fihainoana ny hafa?

Hamaky ny tohiny...


Edito

Kirendrarendra foana ve ?

21/02/2020

Sarotra ny zavatra iainan’ny firenena amin’izao fotoana izao. Sesilany hatrany ny olana, izay toa tsy ahitan’ny fitondram-panjakana vahaolana maharitra sy mateza.

 

 

Tsy manana fotoana hisainana sy hamisavisana izay fampandrosoana intsony fa tena lany andro mamono afo sy mandravona izay olana miseho. Etsy an-daniny, dia tsy tena hita soritra ny fiombonana sy firaisankina ao anaty fitondram-panjakana fa toa samy maka ho azy, samy miaro ny tombontsoany. Ny samy ao anaty fanjakana no mifamely an-kolaka. Herintaona nitantanana ny firenena tsy hita izay tena tondrozotra mazava fa toa miankina amin’ny zava-miseho ny fihetsika hatao. Ireo ambara fa laharam-pahamehana mbola misy ny ahitana olana : famatsiam-bola, mpiara-miombon’antoka, fanoheran’ny fiarahamonina voatohintohina,… Toa tsy misy rahateo ny fifampiresahana sy ny fakana ny hevitry ny vahoaka amin’ny ambara fa velirano sy fampandrosoana hatao. Indraindray, dia mihevitra mihitsy ny olom-pirenena sasany hoe : sao dia firenena efa matanjaka sy milamina ara-toekarena aza no tokony hotantanin’ireo eo amin’ny familiana an’i Madagasikara ? Ny resaka vina mantsy dia efa tena lasa lavitra tsy mifanaraka amin’ny fahorian’ny Malagasy. Mila sintonina tsikelikely hiakatra aloha ireo, hiaina sy hahavita tena, tsy hanana olana, hahavita tena ara-tsakafo,… ary mandeha ho azy kirendrarendra avy eo. Mila dinihina lalina ny tokony ho laharam-pahamehana, mba tsy ho haingo ambony tsikoko ny ambara fa fampandrosoana an’i Madagasikara. Am-bava homana am-po mieritreritra !

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana