Dans la męme rubrique

GOVERNORA

05/03/2020

Voatendry ho governoran’ny faritra Atsinanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly Atoa Rafidison Richard Théodore.

GOVERNORA

Hamaky ny tohiny...

LUDY SOA SY NATHAN

05/03/2020

Araka ny lahatsoratra nivoaka teto amin`ny gazety Tia Tanindrazana ny 02 martsa lasa teo, momba an`ireo tanora, LudySoa sy Nathan,

LUDY SOA SY NATHAN

Hamaky ny tohiny...

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

04/03/2020

Isan'ireo firenena afrikanina mbola mahavita miaro ny sisin-tany aloha hatreto i Madagasikara manoloana ny fiparitahan’ny Coronavirus.

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

Hamaky ny tohiny...

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

03/03/2020

Tovolahy kely iray mitondra ny anarana hoe Rakotonindrina Sitraky ny Avo Toavina Cedrick no nambaran’ny fianakaviany fa tsy hita popoka.

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA TAXI-BROUSSE

02/03/2020

Raikitra ny fifampitifirana tetsy Mahavelona. Sady nitsoaka no nitifitra ny jiolahy izay vao avy nanao fanafihana mpandeha tamin'ny taxi-brousse.

FANAFIHANA TAXI-BROUSSE

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA CASHPOINT

27/02/2020

Mitohy hatrany ny fanafihana cashpoint eto an-drenivohitra.

FANAFIHANA CASHPOINT

Hamaky ny tohiny...

VAROTRA SY FANJIFANA

24/02/2020

Nandainga avokoa ny fandajàna marobe izay nanaovana fitsirihana tampoka tao amin’ny tsena Bazary-Kely ao Toamasina.

VAROTRA SY FANJIFANA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MPANGALA-JAZA TENY AMBILANIBE

20/02/2020

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay lehilahy izay voarohirohy ho mpangala-jaza izay nosamborina tetsy Ambilanibe.

 

Tsy nisy ny mpitory ary tsy nisy koa vavolombelona hany ka rava hoavy ny fanenjehana. Nohazavain’ilay tovolahy fa ny anton-diany izay niaraka tamin’ny roalahy hafa izay havany ihany dia ny handevina ilay zaza any an-tanindrazany. Rehefa nandalo teo Ambilanibe anefa dia nisy tsaho niely fa avy nangala-jaza izy ireo. Zaza efa maty ary entina halevina anefa izany.

MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Maloto miaraka amin’ny minisitry ny serasera  sy ny kolointsaina koa ny ekipany. Sosotra Antananarivo raha nahatsikaritra ny fandokoana izay tsy misy varany akory ny tambohon’Andohalo. Raboussa indray no niharan’ny rihitra amin’ny maha-tale azy eo anivon’ny minisitera. Raha ny marina tokoa mantsy dia vakoka ilay nokitihina ary very ny maha-vakoka azy. Ny mpikarama an’adin’ny minisitera amin’ny facebook anefa dia mbola manambany ny olona ihany ho bevava fotsiny nefa tsy mandray andraikitra.

TOTOAFO NY FITORIANA MOMBA NY CYBERCRIMINALITE

 Hipoka fitoriana tanteraka eo anivon’ny sampana « cybercriminalité » ankehitriny. Isan’ny farany nametraka ao ireo mpifankatia taloha izay nampangain’ny ratsy saina amin’ny facebook ho nanodikodim-bola tao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina. Ilay lehilahy dia nisara-bady mihitsy satria tsy nahazaka ny baraka ny vadiny. Ilay vehivavy kosa indray dia saika namono tena noho ny henatra amin’ny fiaraha-monina. Ny sary mamoafadin’ireo mpifankatia taloha mihitsy no niparitaka ary hitan’izao tontolo izao.

TEZITRA I FIDELE RAZARAPIERA

Tezitra tamin'ny FES i Fidèle Razarapiera ka izay no antony tsy nanaovany ilay adihevitra izay mitondra ny lohahevitra « Velirano, iray taona aty aoriana » izay nokarakarain'io fikambanana izay tohan’ny alemana io. Tsy mbola nanome fankatoavana akory ity solombavam-bahoaka TIM ity ny hanao ilay adihevitra dia efa navoakan'izy ireo tamin'ny dokam-barotra isan-karazany sahady. Tsy nety tamin'i Fidèle anefa izany fihetsika izay tsy miaro fanajàna izany ka nahatonga azy tsy tonga niatrika ilay fotoana.

OLONA 2000 VOASOLOKY

Efa tafiakatra ho roa arivo izao ny isan’ny olona izay voasolokin’ilay tambajotra Maorisiana teto an-drenivohitr’i Madagasikara. Misandoka ho mpiasan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny izy ary maka volan’olona etsy sy eroa miaraka amin’ny mpiray tsikombakomba aminy. Fitahina ny olona fa hampidirina hiasa any amin’ny nos Maorisy. Nisy ny nangalàna vola hatrany amin’ny roa tapitrisa ariary. Raha ampitomboina ho roa arivo isa izany dia mazava fa efa miliara maro no azon’ilay tambajotra.

NOFONGARINA NY RAZANA

Tsy namelan’ny fianakavian’ny maty raha tsy nofongarina ny razan’ny havany izay maty teny amin’ny hopitaly ka nolazain’izy ireo fa tsy nisy taova intsony tao anatiny. Vetivety dia nalaza be ity raharaha ity tao Vohipeno ary dia voatery nandray fanapahan-kevitra ny manam-pahefana avy amin’ny OMC ny nanao ny « autopsie » mba hialàna amin’izay mety ho fisavorovoroan-tsaina tao an-toerana ka mety hitarika fitsaram-bahoaka indray. Voamarina fa tao avokoa ireo taova.

NAHOANA NO NIANDRY ELA VAO NITENY

Nivoaka tamin’ny fahanginany ilay vehivavy izay voalaza fa nitsangana tamin’ny maty tao amin’ny hopitaly Hjra. Nolazainy fa very tao anaty fiara fitaterana ny findainy ary iny no nisy nipiraty ka nanelezana ny vaovao. Nolazainy fa fantany hatramin’ilay lehilahy izay tompon’antoka ary tsy iza izany fa lehilahy izay mpanadala azy. Ny mahatalanjona dia maninona no tsy nanao fanazavana avy hatrany izy mba handaminana ny sain’ny olona fa kosa niandry elaela vao niteny ?

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana