Dans la mme rubrique

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

20/03/2020

Lehilahy roa, 23 sy 21 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry omaly 19 martsa 2 noho ny resaka fitondrana zava-maranitra teny an-dalambe sy fanafihana mitam-piadiana.

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ankatsakatsa Ihosy Tafaverina amin’ny tompony ireo omby norobain’ny dahalo

20/02/2020

Ny 16 febroary teo sahabo tamin'ny 03 ora folakandro tao Ankatsakatsa dia omby miisa 18 avy any Ihosy,

 

 

 

 hamidy any Ambalavao no notafihin'ny dahalo enin-dahy. Raha vao nahare izany ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria Ihosy dia tonga nanome tanana ireo fokonolona tao Anjà, Fandrama, Ivily ary Ankazobetroka tamin’ny fanarahan-dia ka omby miisa 15  no azo ary tafaverina amin’ny tompony. Ny omby roa kosa novonoin’ireo dahalo ka navelan’izy ireo teny an-dalana, ny omby iray tsy hita izay nalehany. Ireo dahalo kosa vaky nandositra avokoa. Ny alin’ny 18 febroary teo indray tokony ho tamin’ny 11 ora  tao amin’ny fokontany Mangarivotra, kaominina Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, manamorona ny lalam-pirenena voalohany mankany Maintirano dia dahalo miisa 20 nirongo fitaovam-piadiana toy ny basim-borina calibre 12 no nanafika tao amina tokantrano roa samihafa. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby maromaro tao amin’ilay tanàna ary ilay lehilahy mpiasan’ny fahasalamana kosa naratra mafy. Taorian’ny antso voarain’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Tsiroanomandidy dia nandray ny andraikiny avy hatrany izy ireo tamin’ny fanenjehana sy ny fanarahan-dia ireo dahalo ka omby miisa 36 no tafaverina, ary ireo dahalo kosa lasa nitsoaka.

Pati

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana