Dans la męme rubrique

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

20/03/2020

Lehilahy roa, 23 sy 21 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry omaly 19 martsa 2 noho ny resaka fitondrana zava-maranitra teny an-dalambe sy fanafihana mitam-piadiana.

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lisea Ampitatafika Nahazo fotodrafitrasa vaovao mitentina 90 tapitrisa ariary

20/02/2020

Feno folo taona katroka ny lisea eny Ankadintany, ao anatin’ny kaominina Ampitatafika.

 

 

 Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa  ka nahafantarana fa niainga avy tamina olana nosedraina tovovavy kely zanak’olona sahirana monina eny Ampitatafika nandranto fianarana teo anivon’ny LMA Ampefiloha no nanosika ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina hanangana ity lisea iray ity. Torana teny an-dalana mantsy io tovovavy kely io raha niainga tany an-tokantranony tamin’ny 04 ora maraina indray andro,  tsy nisakafo nefa mbola mandeha dia an-tongotra ihany ka sendra ny ben’ny tanàna. Tsy misakafo ihany koa izy ny atoandro ary mbola mandeha dia an-tongotra mamonjy fodiana eny Ampitatafika amin’ny hariva. Reraka noho izany izy ka torana. Nomen’ny Ben’ny tanàna fanampiana izy taorian’izay ary nanomboka nivavaka ity farany ny amin’ny hahafahany manangana lisea ao Ampitatafika hanampiana ireo zanaky ny sahirana. Tena vitany tokoa ny fotodrafitrasa mitentina 90 tapitrisa Ar, ahitana efitrano 16, misy mpampianatra 42 sy mpandraharaha 20. Tsy ampy anefa ny efitrano fianarana satria dia miisa 860 ny mpianatra, tsy mbola vita ihany koa ny tamboho raha mbola andrasana ny efitrano hanaovan’ny mpianatra informatika. Ezaka hotratrarin’ny provisera sy ny ben’ny tanàna ny mbola hanohizana hatrany ny asa fanamboarana, indrindra ny hahatonga ity lisea ity hitana ny laharana voalohany amin’ireo lisea miisa 436 eto amin’ny Faritra Analamanga. Hotoloran’ny kaominina vola ny lisea raha tanteraka izany ary homena 1 tapitrisa Ar avy isan’olona ihany koa ireo ankizy mpianatra lohalaharana amin’ny fahazoana ny diplaona baka sokajy A, C ary D hahafahan’izy ireo manohy ny fianarany eny amin’ny anjerimanontolo.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana