Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Hain-tany mahatsiravina Mitsipatsipaka ny omby any Androy

20/02/2020

Efa notaterina teto omaly, fa vidiana 100Ar ny iray zinga amin’ny rano any Androy raha misy ary 2.000Ar ny iray zerikanina 20litatra.

 

 

Miparitaka indray ankehitriny ny vaovao momba ny fahafatesan’ny biby noho ny tsy fisiana rano sy orana hatrany ary maina ny voly. Tsy mahazaka ny omby izay sokajiana ho biby matanjaka.. Mety hitsipatsipaka hatramin’ny olona raha izao no mitohy, hoy ny fampitam-baovao. Olana efa an-jatony ny any Atsimo, saingy tsy mety mivaha mandrak’androany na nisy aza ny tetikasa maro samihafa, toy ny fandavahana vovo, ny tetikasa fitarihan-drano izay tsy re firy intsony ny akony. Anisan’ny nataon’ny firenena maro tahaka an’i Israel, Irak, Arabie Saoudite, Koweït,… ny fanadiovana ny ranomasina ho lasa rano azo sotroina na ny “dessalement”. Mitentina 300 tapitrisa euros (1 200 000 000 000Ar) ny ozinina fanaovana an’io, izay tena midangana tokoa, saingy azo eritreretina ihany ny tokony hahavitana azy, raha tsara tantana sy tena misy tamberim-bidy amin’ny firenena ny harena na ambony na ambanin’ny tany mivoaka avy eto Madagasikara. Re omaly fa hisy ny fandatsahana orana artifisialy any Androy mba ho vahaolana vonjimaika eo anatrehan’ny loza mihatra any an-toerana.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana