Dans la mme rubrique

Fisomparana ny « Emetteur » Hametraka fitoriana ny Real TV

09/04/2020

Ny talata maraina tamin’ny 6ora sy 31 minitra no tapaka tampoka ny fahitalavitra Real TV, fotoana hamerenana ny fandaharana manokana niarahan’io fahitalavitra io tamin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hoy ny fampitam-baovao.

Fisomparana ny « Emetteur » Hametraka fitoriana ny Real TV

Hamaky ny tohiny...

Fandriana - Amoron'i mania Ravan'ny orambe mikija ny barazy

09/04/2020

Rava niongotra hatramin'ny fotony noho ny fijojon'ny orana nandritra ny herinandro izay ny barazy ao Ambatomirojorojo, Fokontanin'Ambohijato Kaomina ambonivohitr'i Fandriana, mpanondraka velaran-tany 450 ha.

Fandriana - Amoron'i mania Ravan'ny orambe mikija ny barazy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Nitety tanàna ireo fiara mifono vy

09/04/2020

Ara-bakiteny ny fahatanterahan’ny teny hoe rava ny tsena omaly teny Analakely, Behoririka, Andravoahangy sy ny manodidina rehetra iny.

Antananarivo Nitety tanàna ireo fiara mifono vy

Hamaky ny tohiny...

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

07/04/2020

Taorian’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) izay mitaky tsy misy fepetra ny famoahana, dia naneho ny heviny ary nanipika ny UPF (Union de Presse Francophone),

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

07/04/2020

Taorian` ny kabarin` ny filoham-pirenena, izay nilaza fa nitarina 15 andro ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin` ny tany sy ny firenena dia toa lasa fahazarana sisa izany ankehitriny.

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

Hamaky ny tohiny...

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

06/04/2020

Sidina manokana avy any Lafrantsa " Boeing 777" no tonga teny Ivato naka ireo teratany Frantsay sy ireo Malagasy sasany mizaka ny zom-pirenena Frantsay nody any Frantsa ny sabotsy 4 aprily teo .

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

Hamaky ny tohiny...

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

06/04/2020

Manoloana ny fanambarana nataona tompon’andraikitra iray eo anivon’ny rantsana miady amin’ny “cybercriminalité”

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Paraky-Soanierana Maloto sy maimbo tanteraka ny tanàna

20/02/2020

Miantso ny tompon’andraikitra rehetra eto an-tanàna mba hijery akaky ny fako etsy amin’ny Paraky Soanierana fa efa tsy rariny intsony.

 

 

Mijaly ireto vahoaka mipetraka manodidina sady tsy misy lalana handehanana no miaritra ny fofona kanefa tsy maintsy mivelona eo avokoa izy ireo, hoy ny antso avo sy fitarainana. Ny mpivarotra tsy miala eo anatrehan’ny fako be misavovona. Atahorana mafy ny areti-mifindra"Pesta" ka dia manaitra ny fanjakana sy ny CUA mba hijery akaiky mba tsy ho maizina am-pototry ny mazava ny vahoakan’ny boriborintany faha-4, hoy hatrany ny fanairana. Anisan’ny kiana mivaivay nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 26 novambra 2019 nialoha ny fifidianana ny loto eto Antananarivo. Mety nahatonga azy nanambara fa hanome kamio 15 sy vola 10 miliara ariary ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa tsy misy olana ara-politika intsony eo amin’ny mpitantana satria iray antoko ny filoha Andry Rajoelina sy ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Manantena vokatra azo tsapain-tanana ny olona amin’ny fandaminana ny tanàna, ny fahadiovana, ny fihatsaran’ny sosialim-bahoaka,…  Inoana fa handray andraikitra avy hatrany ny ben’ny tanàna eo anatrehan’ny zava-misy tahaka itony loto ampitaina itony satria mety tsy ny fitaovana sy ny hoenti-manana no olana fa ny tatitra avy amin’ny vahoaka no tsy tonga any amin’ny mpitantana.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana