Dans la męme rubrique

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

09/04/2020

Hiara-hiasa akaiky ary hifanampy sy hifameno ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana hanavotana ny toekarena izay mitotongana hatrany noho ny fisian’ny valanaretina Corona virus.

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

08/04/2020

Maro ireo mpandraharaha eto amin` ny firenena no miandry tohana avy amin` ny governemanta manoloana ny fiparitahan` ny aretina Covid-19.

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

Hamaky ny tohiny...

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

08/04/2020

Saika miroso tsikelikely anaty krizy avokoa ireo orinasa misy ankehitriny. Amin’izao fotoana izao dia efa tsy maintsy nirosoana ny fanenana mpiasa amin’ireo orinasa Call Center sasany.

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

07/04/2020

Mila fepetra mafy sy matotra avy amin’ny fanjakana ny fanarenana ny toekarena indrindra aorian’ny mety ho fifehezana ny valan’aretina coronavirus.

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

07/04/2020

3,8% ny fitomboana ara-toekarena novinavinaina ho an’i Afrika tamin’ity taona 2020 ity.

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

Hamaky ny tohiny...

BAR sy toeram-pisotroana Maro no mbola misokatra

03/04/2020

Mbola tsy voafehy ny fivarotana toaka eto Antananarivo satria tena maro no mbola misokatra ary maro be ihany koa ireo mpanjifa.

BAR sy toeram-pisotroana Maro no mbola misokatra

Hamaky ny tohiny...

Kaompaniam-piantohana Hahazaka ireo fatiantoka marobe ve ?

03/04/2020

Ny sehatra fiantohana dia afaka itarafana ny fandrosoan’ny toekarenan’ny firenena iray.

Kaompaniam-piantohana Hahazaka ireo fatiantoka marobe ve ?

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Fanamorana ny findramam-bola Manomboka miasa eto Madagasikara ny BIC

20/02/2020

Hanamorana ny fisitrahana findramam-bola ny antony nametrahana ny Birao manelanelana ny banky sy ny mpindram-bola (BIC) eto Madagasikara.

 

 

 

Eo ihany koa ny fanampiana ny banky amin’ny fampahafantarana ireo mpanjifa izay mikasa hindram-bola ao aminy ka hizotra amin’ny fanarahan-dalàna sy ny filaminana. Omaly no nambaran’ny Banky Foiben’I Madagasikara (BFM) sy ny eo anivon’ny CRIF Madagascar tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny fampahafantarana ny fisian’ny BIC voalohany miasa eto amin’ny firenena. Nanambara ny Governoran’ny BFM, Atoa Henri Rabarijohn fa sarotra amin’ny banky sy ny orinasa mpampindram-bola madinika (microfinance) na ireo  mpandraharaha amin’ny sehatra fampindramam-bola no hampindrana ny volany amin’ny olona na ny orinasa tsy fantany. Ny BIC no manome ireo antontan-kevitra mahakasika izany, toy ny mombamomba ny findramam-bola efa natao taloha, ny famerenam-bola. Eo ihany koa ny fifanakalozana ara-bola nataon’ny olona iray anaty finday, ny fandoavana ny jiro sy rano sy ireo fandoavam-bola rehetra notanterahana. Izany rehetra izany dia azo hanontaniana ao amin’io BIC io avokoa saingy tsy maintsy mila fahazoan-dalana avy amin’ilay olona. Manafaingana ny fanapahan-kevitra raisina amin’ny fampindramam-bola ireny. Nilaza ihany koa ny Governora fa hampiakatra haingana ny tahan’ny fisitrahana ny tolotra ara-bola (service financier) amin’ny Malagasy ny fametrahana ny BIC. Mbola ambany mantsy izany satria 29% monja ireo olon-dehibe misehatra amin’ny tolotra ara-bola ny taona 2016. Tanjona ny hampiakarana izany ho 45% ny taona 2022 mba ho tombony ary hisitraka izany mihitsy ny rehetra(inclusion finançière). Nanambara ihany koa ny IFC (Société Finançière International), eo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena, fa hihena ny mety ho risika amin’ny fampindramam-bola ary hiteraka fanamorana amin’ny findramam-bola izany. Ankoatr’izay dia hahazo tombony amin’ity BIC ity ihany koa na ireo tsy mbola nisehatra tamin’ny Banky mihitsy aza satria mahafantatra ny antontam-baovao rehetra misy.  Fiaraha-miasa amin’ny Banky Foiben’I Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena no nanatanterahana ny BIC ary tsy maintsy mbola ampahafantarina sy ho velabelarina miandalana amin’ny Malagasy rehetra izany.

Tsirinasolo

Ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Banky Foibe sy ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana