Dans la mme rubrique

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

16/03/2020

Tamin’ny fitsidihan-dRtoa Vahinala Baomiavotse Raharinirina, Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny orinasa HITA (Huilerie de Tamatave) no nanamarihany fa mbola misy ny ezaka ilaina hanajan'ity orinasa ity lamina takiana satria misy fofona hafahafa mivoaka ivelany,

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

11/03/2020

Laharampahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

Hamaky ny tohiny...

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

09/03/2020

Tokony hiezaka hilofo amin’ny fianarana hatrany ny tovovavy fa tsy maimaika hiditra ao anaty tokantrano,

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

09/03/2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan'Antanifotsy ireo mpandraharaha eo amin'ny

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

Hamaky ny tohiny...

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

06/03/2020

Nihamafy ny fidanganam-bidim-piainana ny taona 2020 ka tokony hampiharina haingana ny lalàna fiarovana ny mpanjifa, hoy ny filoha mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Ralita. Ilaina,

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

Hamaky ny tohiny...

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

05/03/2020

Nifarana omaly ny atrikasa fanavaozana ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

Hamaky ny tohiny...

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

05/03/2020

Mikarakara atrikasa mandritra ny 2 andro ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) miaraka amin’ny INSTAT.

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fampidiran-ketra taona 2020 4029 miliara ariary no hotratrarina

20/02/2020

Nisy ny fihaonana niarahan’ny Fitantanana Ankapoben’ny Hetra (DGI) sy ireo solontenan’ny vondron’orinasa (groupements) tetsy amin’ny DGE (Direction des Grandes Entreprises) Amparibe.

 

 

 Fiaraha-mivory mahakasika ny fanamarinana ara-ketra no natao tamin’ireo orinasa. Tsiahivina mantsy fa misy amin’izao fotoana izao ny fanitsiana ara-ketra (redressement fiscal) ho an’ny taom-piasana 2016 izay natao tamin’ireo orinasa izay tsy mitovy fanambarana ara-ketra amin’ny antontam-baovao sy ny tarehimarika eo am-pelatanan’ny DGI.  Nisy ny fanakianana tamin’io fanitsiana ara-ketra natao io ka hitadiavam-bahaolana sy niarahana niady hevitra tamin’ireo solontenan’ny vondron’orinasa misy eto Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny fampidiran-ketra satria mahatratra 4029 Miliara Ariary no hotratrarina amin’ity taona ity araka ny Lalànan’ny Tetibola (LFI 2020) raha 3173 Miliara Ariary no tratra tamin’ny taona 2019. Nanambara ny Tale jeneralin’ny Hetra, Atoa Germain fa ireo olona sy orinasa nahitana tsy fitoviana tamin’ny fanambarana ara-ketra nataony sy ny tarehimarika ananan’ny DGI ihany no tratran’ny fanitsiana. Fomba ara-tsiantifika no natao, hoy izy ary tsy nijerena tavan’olona mihitsy ka mahazo fanitsiana ireo nahitana tsy fitoviana goavana. Voakasika daholo na ireo orinasan’olon-tsotra na orinasa madinika sy salantsalany ary ireo orinasa lehibe. Mbola ho avy ihany koa hoy izy ny hijerena mahakasika izany ho an’ny taona 2017 sy 2018. Efa azon’ny orinasa atao sahady manomboka izao ny mandoa ny hetra ho an’ny taona 2017 sy 2018 ary tsy hasiana sazy (amendes fiscales). Amin’ity fanitsiana ara-ketra ity moa dia manana zo hamaly mandritra ny 1 volana ireo voakasika ary afaka mangataka ny tarehimarika rehetra nahazoana ny vokatra eny amin’ny DGI. Nanamafy ihany koa ny Talen’ny hetra fa tsy voatery ho nanao hosoka avokoa ireo tratran’ny fanitsiana fa mety nisy ny fanadinoana (omission) na ny finiavana handoa hetra ambany (minoration).

Tsirinasolo

 

 

 

  

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana