Dans la mme rubrique

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

20/03/2020

Lehilahy roa, 23 sy 21 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry omaly 19 martsa 2 noho ny resaka fitondrana zava-maranitra teny an-dalambe sy fanafihana mitam-piadiana.

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Distrikan’I Brickaville “Ny kaominin’I Ranomafana irery no manana fiara mpitondra marary.”

19/02/2020

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny toerany ny faran’ny herinandro teo ireo ben’ny tanàna miisa 18 lany tao amin’ny distrikan’i Brickaville.

 

 

Ho an’ny kaominin’i Ranomafana manokana dia efa mipetrapetraka ny fampandrosoana, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonanosy, indrindra, ny lafiny fizahantany. Mampiavaka azy ny fananany ny Ranomafana izay tsy hananan’ny kaominina hafa ao Brickaville. Ny sekoly, ny biraon’ny kaominina, ny biraom-pokontany, ny tsena, ny lalana dia efa hipetrahana ezaka avokoa. Manana ny fiara ataon’ny vahoaka fitondrana marary na « ambulance » i Ranomafana ary mampiavaka azy sy reharehany amin’ireo kaominina hafa ao Brickaville koa io satria mitaona sy mitatitra ireo olona na marary na saro-piterahana hoentina any Vatomandry na Toamasina na Moramanga. Misy ny fanarenana hatao amin’ny fitantanana tsy mety taloha ary hohafainganina izay fampandrosoana izay, hoy izy. Hasongadina ny fiaraha-mitantana amin’ny vahoaka izay hipetrahan’ny teny ierana sy mangarahara tanteraka. Olana ho an’ity kaominina ity ny mikasika ny fambolena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Vahaolana natolotra ho an’ireo tantsaha ny tsy fiononana amin’ny teknika mahazatra fa fijerena ihany koa ny voly sy teknika mifanaraka amin’izay toetr’andro izay. Miara-miasa amina teknisianina mijery izany ny kaominina. Maro koa ny olana amin’ny fiompiana. Eo amin’ny fiompiana omby, ohatra, dia tsy zatra manao vaksiny ireo omby ny mpiompy. Misy noho izany, hoy izy, ny ezaka ataon’ny kaominina mba hizarana vaksiny maimaimpoana.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana