Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Vono olona tany Ambilobe Nidoboka eny Tsiafahy í “Body Mena”

19/02/2020

Milamindamin-dratsy ny ao Ambilobe taorian’ny savorovoro noho fikasana fitsaram-bahoaka noho ny fahatrarana an’i “Body Mena”.

 

 

Voarohirohy ho namono tamin’ny fomba feno habibiana an-dRazafimalala Brigitte 35 taona, nitondra vohoka 7 volana izy. Nidina ifotony nandamina ny raharaha ireo tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitandroana ny filaminana, notarihin’ny minisitry ny filaminam-bahoaka Controleur Géneral de Police Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys sy ny Sekreteram-panjakana eo anivon'ny fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimaria, jeneraly Ravalomanana Richard. Taorian'ny savorovoro nisiana fahapotehana toy ny fahamaizana fiara 3 sy moto 1, fahapotehan’ny biraon’ny polisy, faharatrana polisy iray,… dia nanapa-kevitra ny fitondrana fa hakarina aty Antananarivo ilay nahavanon-doza ka hatao famotorana momba ny asa ratsy vitany. Navotsotra kosa ireo olona 22 nosamborina tamin’ny savorovoro. Nentina fiaramanidina ilay lehilahy ary efa tonga eto Antananarivo. Efa mpamono olona ary efa nakarina teto Antananarivo mihitsy fa afaka foana. Ny taona 2013 dia namono olona tany Nosy Be, ary voasazy saingy votsotra, ny 2017 tany Ambilobe, ny 2018 dia nanao fanolanana niampy vono olona, dia io tany Ambilobe io ny farany. Noho izay antony izay dia tsy nanaiky mihitsy ny vahoaka tany an-toerana ny amin’ny mbola hitazonana azy ao sy tsy hanolorana azy ny fitsarana. Sazy mifandraika amin’ny heloka vitany no miandry azy, ka izay no antony nitondrana azy. Tsy tokony hiahiahy ny vahoakan’Ambilobe, fa tsy maintsy hatolotra eo anivon’ny fitsarana izy, hoy ny minisitry ny filaminam-bahoaka Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys. Re fa efa vita ny fanadihadiana savaranonando, ka ny fitsarana indray no handray an-tanana ny raharaha. Raha ny vaovao farany omaly hariva, dia nadoboka vonjimaika any Tsiafahy I Body Mena miandry ny fitsarana azy.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana