Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fahasalamam-bahoaka Misy trangana pesta ao Antanifotsy

19/02/2020

Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka isika amin’izao. Fotoana mahabe ny valan’aretina isan-karazany ary anisan’izany ny « Pesta ».

 

 

fantatra ary izao fa efa miseho indray ao amin’ny distrikan’Antanifotsy ity valan’aretina ity ka tao amin’ny kaominina Ambodiriana no nahitana izany ny herinandro teo ary toa efa tapa-bolana aza no nahitana azy. Olona roa no voaporofo fa tratrany tany an-toerana tapa-bolana lasa teo, ary tamin’ity herinandro hitsahina ity dia mbola nahitana tranga roa ihany koa. Ny karazana aretina “peste bubonique”, na pesta atoditariana moa io miseho any ankehitriny io, raha ny fanazavana azo avy amin’ny talem-paritry ny fahasalamana ao Vakinankaratra, ny Dr Rabenirina Mamitiana Pierre. Efa nisy ny fandraisana an-tanana avy hatrany ireo olona tratry ny aretina, ary tsy nisy aloha hatreto ny aina nafoy. Ankoatra ireo efa marary dia nanaovana hetsika manokana mihitsy ihany koa io distrikan’Antanifotsy io sy ny kaominina Ambodiriana, indrindra ny manodidina ireo olona izay tratry ny aretina, ka nomena ny fanafody mifanandrify amin’izany na tsy mbola tratra aza. Ny aretina pesta, izay nambaran’ity talem-paritra ity, fa ny fahadiovana sy ny ady amin’ny parasy sy ny voalavo no tena fisorohana voalohany indrindra aminy. Tamin’ity taona ity indray izany vao nisy aretina pesta tao Vakinankaratra. Tao anatin’ny 2 taona nifanesy, dia tsy nahitana tranga na iray aza tany an-toerana.

Caius R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana