Dans la mme rubrique

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

07/04/2020

Mila fepetra mafy sy matotra avy amin’ny fanjakana ny fanarenana ny toekarena indrindra aorian’ny mety ho fifehezana ny valan’aretina coronavirus.

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

07/04/2020

3,8% ny fitomboana ara-toekarena novinavinaina ho an’i Afrika tamin’ity taona 2020 ity.

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

Hamaky ny tohiny...

BAR sy toeram-pisotroana Maro no mbola misokatra

03/04/2020

Mbola tsy voafehy ny fivarotana toaka eto Antananarivo satria tena maro no mbola misokatra ary maro be ihany koa ireo mpanjifa.

BAR sy toeram-pisotroana Maro no mbola misokatra

Hamaky ny tohiny...

Kaompaniam-piantohana Hahazaka ireo fatiantoka marobe ve ?

03/04/2020

Ny sehatra fiantohana dia afaka itarafana ny fandrosoan’ny toekarenan’ny firenena iray.

Kaompaniam-piantohana Hahazaka ireo fatiantoka marobe ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fidiram-bola amin’ny fandaniana ara-tsosialy Nahena ny hetra alaina aminy

02/04/2020

Ho fampiharana ny fehezan-dalàna mifehy ny hetra sy ho fanatanterahana ny fanambarana mahakasika ny fahamehana ara-pahasalamana napetraka tamin’ny

Fidiram-bola amin’ny fandaniana ara-tsosialy Nahena ny hetra alaina aminy

Hamaky ny tohiny...

Sehatra tsy miankina Hampikatso tanteraka ny toekarena ny fitotonganan’ny asa

31/03/2020

Efa nisy ihany ny fitarainan’ireo fikambanan’ny Orinasa Afaka haba mahakasika ny fepetra misy ankehitriny dia ny fahamehana ara-pahasalamana.

Sehatra tsy miankina Hampikatso tanteraka ny toekarena ny fitotonganan’ny asa

Hamaky ny tohiny...

Fihariana anaty valan’aretina Misy ny maty antoka, ao koa ireo mahazo tombony

26/03/2020

Maro be ireo sehatra mahita faisana amin’ity aretina Coronavirus ity. Anisan’ny loha laharana amin’izany ireo mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany.

Fihariana anaty valan’aretina Misy ny maty antoka, ao koa ireo mahazo tombony

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Fahazoan-dalana ara-tontolo iainana hosoka “Ho hentitra ny fanaraha-maso”, hoy ny ONE

19/02/2020

Miisa 906 ireo fahazoan-dalana ara-tontolo iainana nomen`ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE)

 

tamin`ireny tetikasa  maro samihafa nanomboka ny taona 1977 ka hatramin` izao. 35% dia avy amin`ny harena ankibon`ny tany, 18% mahakasika ny indostria, 1% amin`ireo tetikasa mandinika hafa izay mitana ny taha ambany indrindra. Ny zava-misy eto Madagasikara dia maro ireo seha-pitrandrahana tsy manara-dalàna izay nitarika ny fahasimban’’ ny tontolo iainana. Isan` izany ny fitrandrahana volamena izay mitana ny antsasamanilany mahery amin`ny fanomezana fahazoan-dalana eto amintsika. Miroso ny fampandrosoana faritra raha miditra amin`izay fanarahan-dalàna izay ary ihany koa ny fanamafisana ny fanajàna ny tontolo iainana. Tsy azo leferina kosa ireo izay mahazo fahazoan-dalana ara-dalàna hosoka ka manainga ny fiaraha-miasan`ny rehetra eo amin`ny fitorohana ireo tetikasa mahazo fahazoan-dalana hisokatra an-tsokosoko ny ONE manomboka izao, hoy i Laurent Ampilahy, tale jeneralin`ny ONE. Miisa valo ny dingana sy fomba fanomezana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ka any amin`ny farany indrindra vao misy fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Raha misy fanomezana an-tsokosoko izay, hoy izy, dia havoaka amin`ny vahoaka eto amin`ny tany sy firenena. Hisy ireo tomponandraikitra hanao fanadihadiana ka horaisina ny fepetra. Nomarihan`i Laurent Ampilahy fa tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ny tetikasa rehetra vao azo tanterahina na io sehatra tsy miankina  na ara-panjakana. Ny tetikasa Tanàmasoandro dia efa nandefa ny taratasy fangatahana teo anivon` ny ONE ary efa ao anatin`ny dingana hanaovana fitsirihana amin`izao fotoana, hoy ihany izy. Nohamafisiny ihany koa fa tokony hanaraka ny fepetra apetraka ny rehetra izay nahazo fahazoan-dalaana sy ireo teboka izay voafaritra ao anatin`ny bokin`andraikitra. Mety hiafara amin`ny fisintonana ny fahazoan-dalana izany raha tsy voahaja ny rindran-damina, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

 

 

ami`n  ireo izay mampiasa fahazoan-dalana ara-tntolo iainana hosoko sy antsokosoko

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana