Dans la męme rubrique

Asa voafetra, vola miditra manify Mitaraina ny mponina etsy La Reunion kely

31/03/2020

Mijaly ny mponina eny amin` ny La RĂ©union kely amin` izao fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto Antananarivo izao.

Asa voafetra, vola miditra manify Mitaraina ny mponina etsy La Reunion kely

Hamaky ny tohiny...

TanĂ n-dehibe eto Madagasikara Tena azo diovina sy halamina ihany kay

31/03/2020

Tena azo alamina, diovina tsara ihany kay Antananarivo, ary tsy izy irery fa ireo tanĂ na hafa rehetra eto Madagasikara fa mila hentitra ny mpitantana sy ny mpitondra ary tena ambenana mihitsy ny olona.

TanĂ n-dehibe eto Madagasikara Tena azo diovina sy halamina ihany kay

Hamaky ny tohiny...

Ankazomanga Tsy coronavirus fa aretim-bavony no nahafaty ilay tovolahy

31/03/2020

Tovolahy nitsirara teo amin’ny arabe no nitangoronan’ny olona teny Ankazomanga omaly maraina.

Ankazomanga Tsy coronavirus fa aretim-bavony no nahafaty ilay tovolahy

Hamaky ny tohiny...

Fampiroboroboana ny maha-olona Nahazo 100 tapitrisa dolara i Madagasikara

31/03/2020

Nekena tany Washingtown tamin’ny 26 martsa lasa teo ny fampindramam-bola ho tohana ho an’ny fotodrafitr’olona (capital humain) eto Madagasikara.

Fampiroboroboana ny maha-olona Nahazo 100 tapitrisa dolara i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Sekoly tsy miankina Mila jeren’ny fanjakana manokana

31/03/2020

Ankehitriny dia mandalo ady sarotra ihany koa ny eo anivon` ny sekoly tsy miankina.

Sekoly tsy miankina Mila jeren’ny fanjakana manokana

Hamaky ny tohiny...

Polisim-pirenena Tsy sasatra manentana ny vahoaka

31/03/2020

Tsy sasatra ny polisim-pirenena manentana ny momba ireo mpivarotra sakafo, fanafody, mpivarotra mpambongady sy enta-madinika mikasika ny ora hahafahan’izy ireny misokatra ho an’ny mpanjifa.

Polisim-pirenena Tsy sasatra manentana ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Tratra ireo nivarotra vary lafobe

30/03/2020

Hentitra ny fanaraha-maso ireo mpivarotra manararaotra mampiakatra ny vidim-bary sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ao amin’ny kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo.

Kaominina Ivato Tratra ireo nivarotra vary lafobe

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Hain-tany mahatsiravina 100 Ariary ny rano iray zinga any Androy

19/02/2020

Rano iray zinga na lovia tsatokaty vidiana 100Ar any Androy, raha 2000Ar ny 20 litatra.

 

 

 

Ahiana ny hisian'ny Kere mafy any an-toerana sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny sampandraharaha Iraisam-pirenena momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO) dia namoaka tatitra ny 10 febroary teo, fa olona hatrany amin’ny 730 000 no ho tandindonin-doza amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any Atsimo hatramin’ny volana martsa izao. Faritra roa no tena ho lasibatra satria efa am-bolana izay maro no tratry ny hain-tany mahery vaika. Ny hain-tany no miteraka fatiantoka hatrany amin’ny 75% ho an’ny fambolem-bary. Lasibatra ihany koa ny fambolena katsaka sy mangahazo. Mahatratra hatrany amin’ny 60% amin’ireo kaominina ny tahan’ny fifindra-monina sy fitsoahana ny hain-tany ary ny hanoanana amin’izao fotoana izao. Tsy nahomby ve ny fitarihan-drano natao, izay nosantarin’ny fanjakana Rajaonarimampianina, ary ny fanjakana ankehitriny no nitokana azy ? Efa an-jatony taona ny olana any Atsimo, saingy tsy tena misy ny vahaolana maharitra. Hatreto, tsy misy politikam-pienena mahomby mamaha ny olana. Ny vahiny no tena taitra sy miditra an-tsehatra, toy ny UNICEF izay miditra an-tsehatra amin’ny fizarana ireo fanampiana amin’ny maha olona. Asa tsy fahatokisana ny Malagasy amin’ny fanodinkodinana ve fa saika izay hatrany matetika no hita any Atsimo rehefa misy ny fanampiana. Na izany aza dia andrasana indray ilay tetikasa fananganana orinasa mpamokatra sakafo iarahan’nyfanjakana Malagasy amin’ny orinasa Malaza Nutriset.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana