Dans la mme rubrique

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

07/04/2020

Miady amin’ny zavatra tsy fantatra sy tsy nampoizina, izay mila fahakingana. Tsy sanatriavin’ny vava mitady toerana sy mitady fahefana aho, fa te hanampy, te hizara traikefa, hoy i Marc Ravalomanana omaly tamina fandaharana manokana.

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

Hamaky ny tohiny...

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

06/04/2020

Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

Hamaky ny tohiny...

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

06/04/2020

Ny sabotsy lasa teo no nandray ireo filoham-piangonana eo anivon` ny FFKM, sy ireo filohanà andrim-panjakana,

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

06/04/2020

Fanalam-baraka, manosika ny olona tsy hitia ny filoham-pirenena no ambara fa vesatra hanenjehana an-dRahelisoa,

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...


Politique

Lohamasinina nampanantenain-dRajoelina Mihemotra fanintelony ny fahatongavany

19/02/2020

Nambara fa mialoha ny faran’ny taona 2019 no ho tonga ny lohamasinina roa ho an’ny zotra FCE.

 

 

 Ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina mpitondra tenin’ny governemanta indray dia nilaza ny 10 janoary teo fa ny 17 febroary 2020 no ho tonga, saingy efa dila roa andro izany ankehitriny. Mihemotra indray ny fahatongavana mazava ho azy. Ny volana septambra 2019  no nandeha tany Espagne ny Talen'ny FCE sy Teknisiana iray hijery ireo lohamasinina, araka ny fanambin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nandritra ny diany tany Soschi Rosia ihany koa ny septambra 2019, dia nijery lohamasinina. Raha ny daty farany voalaza dia tokony hiala any Espagne ny 15 janoary 2020 izao ireo fa  noho ny lafiny teknika tsy maintsy asiana fanamboarana satria tsy mifanaraka amin’ny wagon antsika sy ny “voiture” ny “système de freinage”,  hoy ny fanazavana ara-teknika. Raha Alsthom moa no resahina dia GECo Americaine ilay izy izay mbola antitra noho ny Alsthom, izay manahirana ny fampifanarahana azy amin’ny eto (adaptation), hoy hatrany ny fanazavana efa nandeha. Efa 45 taona niasana eo ireo raha ny fanazavana efa nentin’ny fampahalalam-baovao vahiny iray. Efa nisy ihany ny fanazavana hita, izay tsy ofisialy efa tany amin’ny janoary fa tsy misy sambo koa raha tsy ny 15 febroary 2020. Raha tombanana izany dia ny 17 martsa 2020 no ho tonga ao Toamasina ny lohamasinina, ka andrasana indray. Roa herinandro aorian'io dia hisy ny fiofanana homena ny teknisiana hampiasa azy any Toamasina. Ny faran'ny volana martsa 2020 vao ho tonga eto Antananarivo ny lohamasinina, ary mety mbola holokoina volon-doranjy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana