Dans la męme rubrique

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...

KABARIN’NY FILOHA

07/04/2020

Mivoaka ampahibemaso amin’izay ny adin’ireo vehivavy manodidina ny Filoha. Taorian’ilay kabary izay nolazaina fa mivantana kanefa tsy izany akory ary feno diso ny votoatiny, dia niala bala ny minisitry ny serasera,

KABARIN’NY FILOHA

Hamaky ny tohiny...

GOVERNORA

05/03/2020

Voatendry ho governoran’ny faritra Atsinanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly Atoa Rafidison Richard Théodore.

GOVERNORA

Hamaky ny tohiny...

LUDY SOA SY NATHAN

05/03/2020

Araka ny lahatsoratra nivoaka teto amin`ny gazety Tia Tanindrazana ny 02 martsa lasa teo, momba an`ireo tanora, LudySoa sy Nathan,

LUDY SOA SY NATHAN

Hamaky ny tohiny...

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

04/03/2020

Isan'ireo firenena afrikanina mbola mahavita miaro ny sisin-tany aloha hatreto i Madagasikara manoloana ny fiparitahan’ny Coronavirus.

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

Hamaky ny tohiny...

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

03/03/2020

Tovolahy kely iray mitondra ny anarana hoe Rakotonindrina Sitraky ny Avo Toavina Cedrick no nambaran’ny fianakaviany fa tsy hita popoka.

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

RAZANA NITERAKA OLANA

18/02/2020

Lehilahy iray no nisy nandevina tao amin’ny tranony tetsy Alasora.

 

 Efa namoaka fofona ary nanaitra ny manodidina izany. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana dia tsy dia salama ara-tsaina ny zanany izay niara-monina taminy. Koa satria tsy fantatra izay tena nahafaty ilay olona dia avy hatrany dia nanokafana fanadihadiana ity raharaha ity. Olona efatra no nentina teny amin’ny brigade criminelle Anosy nanomboka omaly momba ity raharaha ity.

MPAMILIN’NY PREZIDANSA

Mpamily iray eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika no tazomina eo anivon’ny zandary etsy Ivato.  Nitondra fiaran’ny fanjakana izy io ary nandona mpandeha moto izay maty rehefa tonga teny anivon’ny hopitaly. Tsy voafaritra kosa na nisy hamamoana na tsia ity mpamily ity. Ny azo eritreretina dia nandeha mafy indray ary tsy vao voalohany rahateo no nisy ny tranga toy izao. Raha ny fantatra anefa dia tsy nanaraka kortezin’ny filoha akory izy fa nandeha irery tamin’io fotoana io.

NITSOAKA NY KAOMISERA

Nitsoaka hatramin’ny komisera tao Ambilobe. Izany no vokatry ny fanafihan’ny fokonolona ny kaomisarian’ny polisy tao an-toerana. Mitovy hatrany ny fitrangany dia ny fielezan’ny tsaho fa nisy olona izay voasambotra ary tazomina eo anivon’io biraon’ny polisy io. Poa toa izay dia olona an’arivony no tonga ary nitora-bato. Nangataka izy ireo ny mba hamoahana ny voalaza ho mpamono olona izay notazomina tao. Rava tanteraka ny kaomisaria ary nitsoaka ny polisy.

HOPITALY HJRA

Tsy mandray faty ivelan’izay olona namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly Hjra intsony ny tranom-paty ao aminy. Ny anton’izany dia noho ny fifalian’ireo tamin’ny nisian’ny didim-pitsaràna izay mandràra vonjimaika ny tsy hahafahan’ny hopitaly mikirakira faty aloha. Vokatr’izany rehetra izany dia voatery taterina any amin’ny hopitaly hafa ireo razana izay hita eny an-dàlana ary raha tsy manana vola hitaterana an’izany ilay fianakaviana izany dia avy hatrany dia entina mody ary tsy fantatry ny fanjakana akory. Ahiana hiteraka olana lehibe eto an-drenivohitra ity raharaha ity.

VOTSOTRA IHANY KOA NY ZANAKY NY DEPIOTE LEVA

Navoakan'ny fitsarana koa ny zanaky ny depiote Leva izay voaheloka higadra telo taona. Noho ny halatra katsaka moa no nanagadrana azy ary izao nahazo fahafahana vonjimaika izao kanefa mbola tokony hanefa sazy. Mampiaiky ny maro ny fahefan’ity solombavambahoaka voaroaka ity ary mbola karohina ankehitriny. Na izany aza, azo heverina fa iharan’ny antsojay tanteraka ihany izy ary navelan’ny namany mpiray antoko politika aminy rehefa nafana ny raharaha momba azy.

METEO

Ny tahotra no betsaka raha nihaino ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Raha nolazaina ny faran’ny herinandro teo fa ho rakotry ny orana i Madagasikara mandritry ny andro maromaro, omaly indray dia nampitaina fa efa niparitaka ny andian-drahona ary tsy misy hatahorana intsony. Tsara ny vaovao fa kosa ny tsy fisian’ny fahamarinana mihitsy amin’izay ampitaina dia lasa manakorotan-tsaina fotsiny.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana