Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Vahiny mpitrandraka ao Sofia Sady manimba tontolo iainana no tsy ara-dalàna

18/02/2020

Nitondra fanazavana mikasika ny zava-misy ao amin’ny faritr’i Sofia, indrindra ny momba ireo harena misy ao amin’iny faritra iny tetsy amin’ny Kifa restaurant

 

Mahamasina omaly ny sekretera jeneralin’ny governora any an-toerana, Tolojanahary Maharavo na Doudou. Tsapa, hoy izy, fa mandringa be ankehitriny ny fitsinjaram-pahefana eto amin’ny firenena. Efa niteny anefa ny filoham-pirenena fa tsy misy fampandrosoana eto raha tsy mipaka any ifotony ny fitsinjaram-pahefana. Ohatra telo no raisina amin’izay dia ny lafiny harena ankibon’ny tany satria tsy misy “direction génerale” mikasika izany any Sofia. Any Mahajanga vao misy sampandraharaha mikasika ny harena ankibon’ny tany. Tsy fantatry ny ao amin’ny faritra ireo mpandraharaha mikasika ny harena ankibon’ny tany ao Mahajanga. Ao daholo ny mpitrandraka tsy ara-dalàna rehetra na “clandestine”. Misy malagasy, misy vahiny. Tsy fantatra intsony ny anjara entin’ireo amin’ny fampandrosoana ny faritra, hoy hatrany ny fanazavany. Misy miteny hoe izahay mandoa hetra kanefa ny olombelona rehetra eto Madagasikara dia mandoa hetra daholo na farany mahantra indrindra aza. Tsy ny fandoavana risitorina mihitsy no hitondra fampandrosoana fa ny ataonao. Toy izany koa ny jono. I Sofia no mpamokatra Kraby voalohany eto. Tapatapahan’ireo mpandraharaha vahiny sy teratany ary ataony tantely afa-drakotra anefa ny Mangrovy fiveloman’ireo biby ireo. Be dia be ny hotely kintana 4 sy 5 misy manodidina ny Baie de Narindra sy Sahamalaza iny. Tsy fantatry ny tomponandraikitry ny faritra akory, hoy hatrany ny tenany. Izany ve no atao hoe fampandrosoana ? Antony nanapahan’ny governoran’ny faritr’I Sofia, Lilyson René de Rolland, sy ny mpiara-miasa aminy hampiantso ny mpandraharaha rehetra eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany rehetra ao amin’ny faritr’I Sofia ny 28 febroary izao io, hoy izy, ho tonga any Antsohihy hifampidinika ny fomba vaovao hitantanana ny haren’I Sofia miaraka amin’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny minisitera misahana izany. Tokony ny faritr’I Sofia aloha no hisitraka ny hareny dia avy eo ny mponin’I Madagasikara fa tsy ekena intsony ny gaboraraka sy fanjakan’ny vahiny. Hisy toy izay koa amin’ny martsa ho an’ireo mpitrandraka harena an-dranomasina. ny 2/3n’ny Kraby haondrana eto dia avy ao Sofia kanefa 50 ariary isan-kilao no mba haloan’ireo mpandraharaha mpanondrana. Ny fanapotehana tontolo iainana amin’ny fanapahana Mangrovy koa eo. Vao haingana izao nisy sinoa miisa 2 tratra nikapa Mangrovy 1875 fototra ary efa nosamborina sy nampidirina tao amin’ny fonjan’Analalava.

J. Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana