Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fandoavan-jiro ao Toamasina Mampijaly ny filaharambe

18/02/2020

Manoloana ny fijaliana ateraky ny filaharana lava reny eo Ampanefana ny fakitiora ny jiro sy rano lanin’ny mpanjifa ny orinasa Jirama ao Toamasina dia nametraka lamina ho fisorohana izany ny Tale-paritra, Toto Jean de Dieu, sy ny ekipany.

 

 

 Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo zotram-pifandraisana samihafa ahafahana mandoa ny saran’ny jiro sy rano lany amin’ny alalan’ny finday. Tsotra ny fampiasana azy io, hoy ity tale ity, no haingana ary miaro amin’ny fiarovana ny vola izay entin’ny mpanjifa no mampihena ihany koa ny fotoana very. Hatreto anefa dia mbola vitsy ireo mpanjifa no mampiasa izany ka mbola mahatonga ny filaharana lavareny rehefa tonga ny fotoana hanefana ny fakitiora. Nitondra fanazavana mikasika izany ity tale ity ary nilaza fa azo atao tsara  ny mandoa ny faktiora amin’ny alalan’ny atao hoe “mobile money” ary tsy misy sarany ny fandoavana azy. Mila mivoatra isika, hoy ity tale ity, fa tsy hihemotra mitovy tany amin’ny taona  1980 ary io no miaro amin’ny tsy fandriampahalemana. Mikasika ny famatsiana herinaratra ao an-toerana kosa dia nambarany fa foana hatreo ny fahatapahan-jiro satria vita ny taribia lehibe nisy nangalatra. Io taribia io dia mitondra ny herinaratra avy any Volobe ho any Toamasina. Tsy manana olana amin’ny famokarana jiro ny Jirama Toamasina, hoy izy, fa mbola manana ambony 8MW  mahery  aza. Mikasika ny fanisan-jiro na kaontera indray dia  efa manao ny fizarana izany ny ao amin’ny Jirama Toamasina fa ny volana Martsa sy Aprily ihany no somary tara kely, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana