Dans la męme rubrique

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

20/03/2020

Lehilahy roa, 23 sy 21 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry omaly 19 martsa 2 noho ny resaka fitondrana zava-maranitra teny an-dalambe sy fanafihana mitam-piadiana.

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Zandary nanana olana Notifiriny ny raibeny avy eo izy nitifi-tena

18/02/2020

Zandary iray kilasy faharoa miasa ao Mandrosonoro no nitifitra nahafaty ny raibeny, avy eo namono tena tamin'ny basim-panjakĂ na,

 

 

 tamin'ny fandalovany tao Ambalavao raha namita iraka tany Ambositra, ny alin'ny 16 hifoha 17 febroary 2020, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena. Nidina any an-toerana tsy misy hatakandro ny komandin'ny vondrontobim-paritry ny Zandarimaria Ambatofinandrahana hanao fanadihadiana lalina ahafantarana ny tena antony. Rehefa vita ny iraka ampanaovina dia aterina any amin'ny tobim-basy (magasin armement) ny fitaovam-piadiana nampiasaina mba hisorohana ny loza toy izao. Hentitra ny fanaovana fanadihadiana mikasika ny fitondran-tenan'ireo izay hiditra ho zandary sy ny mikasika ny fianakaviany izay nahalehibe azy, hoy ny eo anivon’ny fiadidian’ny zandarimariam-pirenena. Na izany aza dia nitondra teny fampiononana eo anatrehan’ny fahoriana ny fiadidian’ny zandarimaria. Tato ho ato, dia tena nirarakopana ny fihoaram-pefy nataon’ny zandary sasany, izay saika fampiasana basy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna na herisetra sy fanararaotam-pahefana. Teo ihany koa ny firaisana tsikombakomba tamin’ny olon-dratsy na manao asa ratsy. Miisa 82 no naiditra am-ponja tamin’ny taon-dasa, ary 6 na nihoatra kelin’izay hatramin’ny fiadohan’ity taona ity.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana