Dans la mme rubrique

Tsy miasa, tsisy vola, tsisy hohanina Ahiana ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy

07/04/2020

Misy amin’ireo sekoly tsy miankina no manery ny ray aman-dreny handoa saram-pianarana. Ny 1-6 aprily no fotoana hitakiana izany ho an’ny ankamaroan’ny sekoly.

Tsy miasa, tsisy vola, tsisy hohanina Ahiana ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy

Hamaky ny tohiny...

Tohana ara-tsosialy ao Toamasina Niditra an-tsehatra ny minisitry roa vavy

07/04/2020

Ramatoa Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy, ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana no nisolotena ny fitondram-panjakana aty Toamasina amin’ny fanatanterahana ny drafitra ara-tsosialy amin’ny hamehana (plan d’urgence social).

Tohana ara-tsosialy ao Toamasina Niditra an-tsehatra ny minisitry roa vavy

Hamaky ny tohiny...

Andranonahoatra Zokiolona miisa 400 indray no hahazo fanampiana

07/04/2020

Taorian’ireo zokolona 6 isaky ny Fokontany notolorana fanampiana teny Bemasoandro ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano andro maromaro lasa izay dia zokiolona miisa 400 indray no fantatra fa hahazo izany ho an’ny kaominina Andranonahoatra raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Rasamison Haja.

Andranonahoatra Zokiolona miisa 400 indray no hahazo fanampiana

Hamaky ny tohiny...

Varotra tapak’andro Maty ho azy anaty fihibohana ny akoho fakana nofony

07/04/2020

100 isan’andro sisa ny akoho fakana nofony azon’ireo mpisehatra amin’izany hamidy eto amintsika raha nahatratra 500 isa teo aloha, haparitaka amina mpivarotra 6 ireo raha kely.

Varotra tapak’andro Maty ho azy anaty fihibohana ny akoho fakana nofony

Hamaky ny tohiny...

FASAN’NY KARANA Hody amin’izay ireo olona 200 nihitsoka tao

07/04/2020

Miisa 200 hatreto ireo olona tokony hamonjy fodiana tavela etsy amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse Fasan’ny karana vokatr’ilay fihobohana nateraky ny fiparitahan’ny coronavirus.

FASAN’NY KARANA Hody amin’izay ireo olona 200 nihitsoka tao

Hamaky ny tohiny...

Vatsy zaraina eny amin’ny fokontany Avela ho faty noana izany izay tsy nahaloa adidy ?

07/04/2020

Misedra fahasahirana goavana indrindra noho izay niainany rehetra hatramin’izay ankehitriny ny vahoaka malagasy.

Vatsy zaraina eny amin’ny fokontany Avela ho faty noana izany izay tsy nahaloa adidy ?

Hamaky ny tohiny...

Fakana fahazoan-dalana hody Niteraka fitangoronana be izay tsy izy

07/04/2020

Tsy maintsy maka taratasy fahazoan-dalàna avokoa ireo olona hamonjy fodiana any amin’ny faritra raha araka ny tatitra navoakan’ny Antokon-draharaha Misahana ny Fitaterana an-Tanety na ATT omaly.

Fakana fahazoan-dalana hody Niteraka fitangoronana be izay tsy izy

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Resaka hala-jaza teny Ambilanibe Adina mpivady no nivadika ho savorovoro

18/02/2020

Niteraka resabe tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook afak’omaly alahady ilay resaka hala-jaza nitranga teny Ambilanibe Anosibe ka nisiana lehilahy roa izay voasambotra.

 

 

Raha araka ny  resaka nifanaovanay tamin’ny sefom-pokontany ao Anosibe Andrefana I Randrianiaina Teloson dia adina mpivady iny tranga iny raha ny resaka mandeha. Handeha  hitsindrona izy ny  alahady maraina tokony ho tamin’ny 08 ora  no nifanena tamina olona miisa dimy ka vehivavy ny iray. Nitrotro zaza izy ireo, hoy ity sefom-pokontany ity ary somary hafahafa ny fahitako  ilay zaza nentiny satria nipoitra be ny lohany.  Izaho kosa anefa tsy afaka ny hanaporofo fa efa maty io zaza nentin’ireo olona dimy nifanena tamiko io raha izay avokoa no nambaran’ny manodidina. Vao nidify kely anefa ireo olona ireo dia nahare feo aho fa mpangala-jaza, hono, izy ireo. Nisy indray ireo nilaza fa adina mpivady no niandohan’ny tantara. Maty ilay zaza tsy manan-tsiny ka niteny ilay rainy fa alevina ao an-trano ilay zanany. Nanohitra izany indray anefa ilay reniny ka nilaza fa manana  fasan-drazana izy ireo ka tokony ho any ilay zaza no halevina ka izay no anton’ilay fifandirana. Tsy nahazaka izany anefa ireo olona niaraka taminy ka nitondra ilay zaza saingy nohenjehin’ny fokonolona izy ireo izay tsy fantatra na havan’ny lahy na havan’ny vavy. Vaovao farany niparitaka, hoy ity sefom-pokontany ity ny fandrenesana fa  anisan’ireo lehilahy nitondra ilay razana nitsoaka ireo niditra tao anaty honahona ireo raha tsy  hay izay niafaran’ilay Ramatoa iray niaraka tamin’izy ireo sy ilay zazakely maty, ity farany izay voalaza fa natsipin’izy ireo. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia tsy mponina ao amin’ny fokontany Anosibe Andrefana I ireo olona dimy nitrotro zazakely ireo fa mpandalo fotsiny ihany.

 

MPITARIKA POSY

Resaka adina mpivady ihany koa ilay tranga  raha ny vaovao nampitain’Atoa Josoa, mpitondra lakana taminay omaly.   Tonga nanatona azy mantsy ny mpampiasan’io lehilahy io izay voalaza fa mpitarika posy  ary rain’ilay zaza voalaza fa nangalarina ny iray. Eny amin’ny trano sachet plastika eny la reunion kely izy ireo no nipetraka ary nifamaly izy mivady tamin’io andro Alahady io. Rehefa raikitra teo anefa ny fifandirana dia nilaza ilay lehilahy fa ho entiny ny zanany ka niantsoantso ilay Ramatoa fa mpangala-jaza ilay vadiny. Voatery nanavo-tena ilay rain-jaza sy ilay namany noho izany ka lasa nitsoraka tao anaty honahona izy ireo noho ny tahotry ny fitsaram-bahoaka. Nilaza hoy Atoa Josoa ilay mpampiasa io lehilahy io fa tsy mpangala-jaza ilay olona hampiasainy fa mpitarika posy.  Tsy voalazan’Atoa Josoa moa ny mikasika ilay zaza nentiny fa izy roalahy no hitany. Raha ny feo nandeha ihany koa anefa dia zaza maty io niadivan’izy mivady io noho ny alahelon’ilay Rangahy fa tsy andrasana ao anaty trano sachet plastika ny nofo mangatsiakan’ilay menaky ny ainy.

 

Pati

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana