Dans la mme rubrique

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Plan Emergence Madagascar Mijanona ho soratra sy boky aloha hatreto

18/02/2020

Vita tanteraka tamin`ny herinandro lasa teo iny ny fandrafetana ny “plan Emergence Madagascar” (PEM) ka andrasana ny fampahafantarana izany amin`ny fomba ofisialy.

 

 

Ny PEM no mamaritra ny politika ankapoben`ny fitondrana Rajoelina. Miisa 113 pejy izany drafitra izany izay hampanarahana ny fenitra amin`ireo firenena “emergents” rehefa mifarana ny fe-potoam-piasan`ny filoham-pirenena. Raha tsiahivina, ny programasan`ny filoha Rajoelina dia miompana amin`ny indostria sy fizahantany. Velirano 13 no napetraky ny filoha ka anisany ny fanabeazana ho an`ny daholobe, fahasalamana ho an`ny rehetra sy asa mendrika sy mahavelona, amin`ny alalan`ny fampiroboroboana ny indostria sy ny lafiny fizahantany. Midika izany fa mila fotodrafitrasa goavana dia ny fametrahana lalamby 869 km hatramin`ny taona 2023, fananganana fonja manaraka fenitra. Eo ihany koa ny fanorenana ifotony ireo andrim-panjakana toy ny fitsarana, ny ady amin`ny kolikoly sy ny fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko. Ireo voalaza ireo no paikady entin`ny fanjakana hamahana ny Malagasy ao anatin`ny fahantrana. Manaratsy endrika ny fitondrana aloha ny fanoherana ny fananganana tanàna vaovao eny Ambohitrimanjaka satria zava-dehibe ny fandresen-dahatra mpamatsy vola raha toa ka tetikasa fototra no toherin`ny vahoaka. Mitentina 600 tapitrisa dolara ny fanatanterahana ny Tanamasoandro kanefa io fanoherana nandritra ny herintaona io  dia sakana ho an`ny mpanatanteraka. Etsy an-kilany, ireo mpamatsy vola sasany dia efa nilaza fa tsy mazava ny PEM. Nandritra ny atrikasa natokana ho amin`ny famolavolana  io drafitra io ny volana oktobra lasa teo, dia nilaza ny mpamatsy vola iray hoe “Mionona sy  mifototra amina petra-kevitra toy ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin`ireo mpamatsy vola tsy miankina fotsiny ny fitondrana”. Etsy an-daniny, nampidirina tao anatin`ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2020 ny tetibola ho an`ny andiany voalohany ao anatin`ny PEM. Betsaka anefa ny tsikera io LFI 2020 io. “ny 770 miliara ariary dia natokana amina sehatra tsy mazava. 8,4%-n`ny tetibola dia tsy fantatra izay ampiasana azy”, hoy i Hony Radert, sekretera jeneralin`ny CCOC. Eo ihany koa ilay “pret commercial” mitentina 211 miliara ariary hatokana hananganana hopitaly. Tsy hasian-teny intsony ny “fonds souverains”. Ny fandrafetana io PEM io koa no nahatara ny fandinihana ny LFI 2020. Asa aloha izay vokany aorian`ny fampahafantarana ofisialy fa ny IEM dia efa tao an-dohan`ny filoha Rajoelina tamin`ny taona 2017. Inona izany no nitondrany ny firenena tao anatin`ny taona ny taona iray ?

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana