Dans la mme rubrique

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

30/03/2020

Azo tsaboina tsara ny Coronavirus ka tsy tokony hampatahotra, fa ny fiparitahany be no manahirana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo.

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

Hamaky ny tohiny...

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

30/03/2020

Nanomboka ny sabotsy teo ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpamily fiara karetsaka sy taxi-be ary ireo mpanampy azy eto amintsika tafiditra ao anatin’ilay plan d’urgence sociale,

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

Hamaky ny tohiny...

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

30/03/2020

Noho ny fepetra noraisina amin’ny tsy fahafaha-mivoaka, dia tsy nisy ny famoriam-bahoaka amin’ny fahatsiarovana ny 29 martsa.

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

30/03/2020

Nanaovan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolotsaina tarihin-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo fampitandremana na “Lettre de mise en demeure” ny haino

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

Hamaky ny tohiny...

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”

28/03/2020

Namoaka fanambarana ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena manoloana ny aretin-mandoza “coronavirus” izao. Voalohany,mbola manamafy hatrany

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Niantso fahamatorana ho an’ireo sehatra tsy miankina

27/03/2020

Aoka isika mba ho matotra, hoy ny minisitry ny atitany, Tianarivelo Razafimahefa, omaly mantsy ireo sehatra tsy miankina mbola voatery manohy ny fampiodinana

Minisitry ny atitany Niantso fahamatorana ho an’ireo sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Fahafahan’ny mpanao gazety mivezivezy Nifampiresaka tamin’ny minisitera ny OJM

27/03/2020

Malalaka manomboka izao ny mpanao gazety amin’ny fikaroham-baovao, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM),

Fahafahan’ny mpanao gazety mivezivezy Nifampiresaka tamin’ny minisitera ny OJM

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Faty etsy, herisetra eroa Noloarana ny zaza tao an-kibon’ílay vehivavy

18/02/2020

Nisehoana fahatezeram-bahoaka tao an-tampon-tanànan'Ambilobe taorian'ny fampitam-baovao teo amin'ny tambajotra « Facebook »izay

miteraka savorovoro fa voasambotry ny polisy ny 16 febroary 2020 tany amin'ny kaominina Mantaly distrikan’Ambilobe ny tompon'antoka tamin'ny famonoana ilay vehivavy bevohoka 7 volana tsy hita nanomboka ny 03 febroary 2020. Rehefa hita ny razana dia voalaza fa tsy nisy tanana, afaka ny volo, ny nono, ny maso ilany, tsy tao intsony ny zaza tao ankibo,... araka nampitain'ireo nanatri-maso. Ny androtr’io, izany hoe ny faran’ny herinandro teo dia nirohotra ny vahoaka nandeha tao amin'ny biraon'ny Compagnie Zandarimaria ka resy lahatra izy ireo fa tsy tao ilay olona voarohirohy. Rehefa izany dia namonjy ny biraon'ny kamisarian’ny polisim-pirenena indray izy ireo ka namotika sy nitora-bato ny birao ary nanimba sy nandoro fiara nitoby tao rehefa tsy nahita ilay olona. Voatery niditra an-tsehatra  ny zandarimariam-pirenena niaro ny mpiasa sy ny tobin'ny polisim-pirenena any an-toerana. Rotika tanteraka ny birao, fiara 3 kila forehitra izay an’ny polisy sy ny distrika, miampy moto 1, polisy 2 ihany koa naratra. Hatramin’ny omaly maraina dia nitohy ny gidragidra, ka nirefodrefotra ny basy tao Ambilobe omaly, ary hatramin’ny biraom-panjakana aza nisy nikatona, araka ny fampitam-baovao.

TENA TSY MILAMINA NY TANY

Ankoatra io, niteraka resabe ny zava-nitranga teny Ambilanibe izay nifamahofaho tanteraka ny resaka. Tao ny nilaza fa nisy hala-jaza ary natsipy tao anaty rano, ka maty. Resaka ady mivady anefa ilay izy. Tsy mitsitsy ny olona, ary tsy miraharaha izay didy aman-dalàna intsony. Ny tany Vohipeno, dia adihevitra hatramin’izao ny ahiahy mombana fahafatesana tovolahy iray, ahian’ny havany ho nisy nangalarany ny taovany taorian’ny fandidiana natao azy. Tany Amparafaravola indray dia olona roa no maty notsatotsatohan’ny jiolahy ny antsy ny herinandro teo ihany. Ny teto Antananarivo moa dia resaka hala-jaza nampisavoritaka tetsy Ambilanibe, kanefa ady mivady momba ny adihevitra handevenana ilay zaza maty. Ny olona efa nivonona tamin’ny fitsaram-bahoaka. Ny tovolahikely tratra nangalatra atody, izay naboridana sy nofatorana teo ambody andrin-jiro. Toa tsy manana fotoana hisainana ela sy handinihana ny tokony hatao intsony ny olona, fa avy hatrany dia ny hanao herisetra no tonga ao an-tsainy voalohany.

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana