Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lehilahy maty rehefa avy nodidiana Notriarin’ny havany ny razana nijerena ny taovany

17/02/2020

Zokiko izay nodidiana tao amin’ny hopitaly iray tao Vohipeno dia ambarako aminareo namana ato fa nisy tsy tao ny taova rehefa nosavaina ny maty satria tsy mety mino ny sain’ny fianakaviana,

 

 

 

 ka nosavaina ny faty alohan’ny handevenana azy, hoy ny fitantarana narahina sary nampivarahontsana tamin’ny tambajotran-tserasera fesiboky. Nambara fa banga tao anatiny ny fo, avokavoka, voany ary mbola noritina ny rany. Na izaho tsy nandalo fianarana aza toa mba mahalala ny resaka atao hoe fahasalamana izany na tsy nandalina ny resaka fitsaboana izany, hoy hatrany ny fanazavana….  Naseho an-tsary moa ny famahana ny zaitra lava be teo amin’ny kibon’ity olona voalaza fa nalaina ny taova ity. Ireo voalaza fa fianakaviany no nilaza sy nanitrikitrika fa nisy taova tsy tao, izay sarotra ny handiso na hanamarina azy, fa kosa tena nampivarahontsana ny sary nivoaka sy niparitaka tamin’ny fanatriarana ilay kibony efa nozairina satria nisy ny ahiahy. Lasa adihevitra ity tranga ity amin’izao fotoana izao. Tena nisy tokoa ve ny resaka fakana ny taova ? Amin’ny ahiahy tahaka izany dia tokony ho naka manampahefana sy mpitsabo ny fianakaviana mba hahafaha-mijery sy tena manamarina ny ahiahin’izy ireo. Andrasana izay mety ho setriny avy amin’ilay hopitaly eo anatrehan’ity toe-javatra ity mba tsy hisian’ny feon-dakolosy tokana. Tokony hisy ihany koa ny fanokafana fanadihadiana lalina ataon’ny manampahefana hahafantarana ny tena marina amin’ny raharaha miteraka resabe sy adihevitra tahaka izao.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana