Dans la męme rubrique

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

09/04/2020

Hiara-hiasa akaiky ary hifanampy sy hifameno ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana hanavotana ny toekarena izay mitotongana hatrany noho ny fisian’ny valanaretina Corona virus.

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

08/04/2020

Maro ireo mpandraharaha eto amin` ny firenena no miandry tohana avy amin` ny governemanta manoloana ny fiparitahan` ny aretina Covid-19.

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

Hamaky ny tohiny...

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

08/04/2020

Saika miroso tsikelikely anaty krizy avokoa ireo orinasa misy ankehitriny. Amin’izao fotoana izao dia efa tsy maintsy nirosoana ny fanenana mpiasa amin’ireo orinasa Call Center sasany.

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

07/04/2020

Mila fepetra mafy sy matotra avy amin’ny fanjakana ny fanarenana ny toekarena indrindra aorian’ny mety ho fifehezana ny valan’aretina coronavirus.

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

07/04/2020

3,8% ny fitomboana ara-toekarena novinavinaina ho an’i Afrika tamin’ity taona 2020 ity.

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

Hamaky ny tohiny...

BAR sy toeram-pisotroana Maro no mbola misokatra

03/04/2020

Mbola tsy voafehy ny fivarotana toaka eto Antananarivo satria tena maro no mbola misokatra ary maro be ihany koa ireo mpanjifa.

BAR sy toeram-pisotroana Maro no mbola misokatra

Hamaky ny tohiny...

Kaompaniam-piantohana Hahazaka ireo fatiantoka marobe ve ?

03/04/2020

Ny sehatra fiantohana dia afaka itarafana ny fandrosoan’ny toekarenan’ny firenena iray.

Kaompaniam-piantohana Hahazaka ireo fatiantoka marobe ve ?

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Krizy ara-bola any Venezoela Lany tamingana ny Bolivar, manjaka tokana ny Dolara

17/02/2020

Anaty krizy ara-toekarena tsy manampaharoa noho ny olana ara-politika i Venezuela amin’izao fotoana, ankehitriny dia mahatratra hatramin’ny 3.000% ny fisondrotam-bidim-piainana any an-toerana.

 

 

 

Miparitaka ary ifanakalozana any an-toerana ny vola Amerikanina dolara. Miasa izany  na eny amin’ny tsenam-boankazo sy ny legioma na eny amin’ny Banky. Noho izany dia lasa miankina amin’ny tahan’ny fifanakalozana dolara (taux de change) ny vidin’entana rehetra. Ny tsy fisian’ny vola ao an-toerana, ilay antsoina hoe bolivar no nahatonga io tranga io. Amin’izao fotoana izao dia tsy manome afa-tsy 50.000 bolivar isan’andro isaky ny mpanjifa, izay  latsaky ny  1 Euro ny takalony,   ny banky. Io vola io anefa dia tsy mahazo ny zavatra ilaina sy fampiasa amin’ny fiainana andavanandro akory. Nanambara ny mpahay toekarena tany an-toerana fa ny fahatapahan-jiro nandritra ny  vanim-potoanan’ny lohataona 2019 no tena tsy nampisy intsony ny bolivar ankoatr’ireo olana ara-toekarena efa misy. Tsy ampy hampiverenana amin’ny laoniny ny toekarena intsony ny vola mivezivezy (liquidités) ananan’ny banky foibe satria avo loatra ny fiakaran’ny fidim-piainana noho io fahatapahan-jiro tafahoatra io. Ankoatra ny tsy fisian’ny volan’i Venezoela ao an-toerana dia mampanjaka ny dolara any ihany koa ny fandefasana vola (virement) amin’ny alalan’ny kaonty amin’ny banky roa ka ny iray any Etazonia ary ny iray ao an-toerana. Ataon’ny vahoaka izany amin’ny alalan’ilay application antsoina hoe ZEL ary  voalazan’izy ireo  fa mora ny manokatra kaonty any Etazonia satria rehefa mahalala olona mitoetra any fotsiny ka manome ny mombamomba dia io olona io ihany dia efa afaka manokatra ilay kaonty. Nanamora ny fampidirana sy fampiasana ny dolara ihany koa ny vola tahirin’ireo mpanakarena any an-toerana  izay avy any ivelany (rapatriement) ka ampiasainy amin’ny fandoavana faktiora isan-karazany ary hanomezany ny karaman’ireo mpiasany. Tsy ny toekarena ihany no simba amin’izay tranga rehetra izay fa ny fiainan’ny olona amin’ny ankapobeny mihitsy satria na ny asa any an-toerana aza dia tsy misy.  Ny faktiora anefa tsy maintsy aloha, ny fitondrana sy ny mpanohitra variana miady toerana, ny fandriampahalemana tsy mandeha amin’izay laoniny hany ka ny mitsoa-ponenana sisa no vahaolana hitan’ny olona fa mety. 

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana