Dans la męme rubrique

TOAMASINA Nitokona indray ireo mpitondra tuk tuk

06/04/2020

Nitokona fanindroany nidina an-dalam-be indray ireo mpitondra “tuk tuk” miisa 1911 ao Toamasina ny sabotsy teo.

TOAMASINA Nitokona indray ireo mpitondra tuk tuk

Hamaky ny tohiny...

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

04/04/2020

Sady mahatsikaiky sy mahonena no mampanahy ihany koa ny zava-mitranga ao anatin’izao atao hoe fihibohana amin’ny ampahany na “confinement partiel”

Mponin’Antananarivo Misy eny amoron-dalana no mihiboka…

Hamaky ny tohiny...

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

04/04/2020

Tena marobe ireo olona manararaotra izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao.

Mampiasa hafetsena ny mpivarotra Miaka-bidy ny entana vao dify ireo mpanara-maso

Hamaky ny tohiny...

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

04/04/2020

Noho ny fidangan’ny vidim-bary eny an-tsena dia lasa manenjika ireo vary mora tonga eny amin’ny Fokontany avokoa ny ankamaroan’ny olona.

Vary mora Tsy mety voalamina fa an-kisisika foana

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

04/04/2020

Namoaka fanambarana ireo fikambanan’ny Banky mivondrona ao anatin’ny APB (Association Professionnelle des Banques)

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

04/04/2020

Betsaka ireo olona tonga manolotra izay foiny hanampiana ny mpiara-belona marefo na marary eto amin’ny firenena amin’izao fotoana hiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus eto amintsika izao.

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc

Hamaky ny tohiny...

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

04/04/2020

Misy ny ivontoerana Connecteo izay natokan’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana (MICA) handraisana ny laharana maintso 812 iantsoan’ny mpanjifa.

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fampiasan’ny fanjakana ny volan`ny CNaPS Maro ny ahiahy mbola mitoetra

17/02/2020

Nandritra ny fihaonan`ny filoha Rajoelina tamin`ny mpanao gazety teny Iavoloha ny volana janoary lasa teo dia nanambara izy fa

 

hampiasaina ny tahirim-bolan`ny CNaPS entina hanatanterahina ireo tanàna vaovao sy toeram-ponenana. Hitodika amin`ny tahirim-bolam-panjakana toy izay hiankin-doha amin`ny mpamatsy vola. Manana tahiry manokana moa ny Cnaps ary afaka manampy tokoa ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo. Ankoatra izay, dia  afaka mampitombo ny volan`ireo mpandoa latsakemboka ao aminy ihany koa izy. Tsara ihany ny hevitra saingy ny zava-misy eto Madagasikara no tsy hahafahana manatanteraka izany. Amin`izao, Madagasikara dia firenena marefo izay hanjakan`ny kolikoly. Rehefa miresaka kolikoly dia tafiditra ao anatin`izany ny fanodinkodinam-bolam-panjakana indrindra ny tsenambarom-panjakana, izay tena ahitana trangana kolikoly isan-karazany, sady fehezin`ny fanjakana tanteraka. Anisan`ny tsenam-baro-panjakana goavana ho avy moa ny tetikasa goavana ao anatin`ny vinan`ny fitondrana momba ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana ary maro dia maro ireo miandry izany. Hatreto aloha dia toa tsy mahasakana ny fitondram-panjakana ny lalàna mifehy ny tsenam-baro-panjakana hifehezana ity sehatra ity amin`ny alalan`ny kitranoantrano amin`ny fanomezana ny tolotr`asa… Eo ihany koa ny fitarazohan`ny  fomba fiasa toy ny fampahafantarana ny vidin`ny tolotra. Tsy famoahana an-gazety ireny tolotra ireny ka olom-bitsy ihany no mahafantatra sy mahazo ny tsena na ny efa mahazo ihany ny miverina mahazo. Izany anefa no fomba hisorohana ny fanabontsinana faktiora amin`ny fanatanterahana ny asa. Tsy ara-dalàna ny 50% amin`ny tsenam-panjakana ary tsy misy mangarahara, hoy ireo mpandraharaha maro. Antony mahatonga ny fanjakana hifehy ny tahirim-bolam-panjakana (caisse nationale) ve izany ? Amin`izay mantsy, raha misy tranga fanodinkodinam-bola dia mety voasarontsarona moramora eny ve ? Tsy voahaja ary mbola lavitra ezaka ho an`i Madagasikara ny fepetra momba ny fitantanana ho an`ny seha-panjakana. Marihina fa efa nampiaka-peo mahakasika azy io ny FISEMA (confédération générale des syndicats des travailleurs de Madagascar). Raha toa ka eken`ny CNaPS ary ny fangatahan`ny filoha Rajoelina dia ho tafaverina ara-potoana ve izay vola hindramin`ny fanjakana ? Raha tsy tojo amin`ny tanjona hiriana ny tetikasa goavana, dia manana ireo fitaovana entina hamerenana izany ve ny fanjakana ? Hatreto, maro ireo fanontaniana tsy ahazoam-baliny ka lasa miteraka ahiahy.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana