Dans la męme rubrique

Mpanao gazety Arphine Helisoa Hiakatra fampanoavana anio

04/04/2020

Nampanantsoin’ny Sampana miandraikitra ny “Cybercriminalité” i Arphine Helisoa (Arp Helisoa) mpanao gazetin’ny Valosoa omaly,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana tsy mahafehy vahoaka Mahasorena ireo manara-dĂ lana

04/04/2020

Tsy voafehin’ny fanjakana ny vahoaka, tsy manaraka ny baikon’ny filoham-pirenena, goragora tanteraka toa manao izay saim-patany,…

Fanjakana tsy mahafehy vahoaka Mahasorena ireo manara-dĂ lana

Hamaky ny tohiny...

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

03/04/2020

Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara. Sahirana amin` ny ateraky ny fepetra tsy maintsy hajaina ho fisorohana sy ho fisakanana ny tsy hiparitahan` ny valan`aretina “coronavirus”.

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

03/04/2020

Maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna amin` izao fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amintsika izao. “Maninona ny olona no tsy manaraka ny

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

Hamaky ny tohiny...

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

03/04/2020

Feno omaly maraina ny fepetra maha-rivodoza ireo tangoron-drahona any amin’ny faritra avaratry ny nosy iny.

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

02/04/2020

Tsy mety ilay mampiasa ity fanomezana ity ho an’ny fomba amam-panao politika tsy madio. Mila manaraka tsara ny fepetra napetraky ny fanjakana,

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

Hamaky ny tohiny...

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

02/04/2020

Sokajin’olona miisa 14 eo no nambaran’ny fanjakana fa hotolorana tohana ara-tsosialy manokana, ka isan’izany ny mpamily sy resevera ho an’ny taksibe,

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Hentitra ny Printsy Dr Ndriana Rabarioelina Hajao ny soatoavina amin’ny fikitihana ny Rova

17/02/2020

Namoaka fanambarana ny Prince Dr Ndriana Rabarioelina, avy amin'ny lahimatoan'Imerina, Lehiben'ny fianakaviamben'ny Andriana Merina sady lehiben'ny fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara ny sabotsy 15 febroary teo.

Mahakasika ny fikitihana sy ny fanamboarana ny Rova eny Manjakamiadana izany. Toerana Masina io ary ny fanarenana ny Rova Antananarivo sy ireo Lapa rehetra tao (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Manampisoa sy ny Lapa hafa rehetra) dia tokony hanaraka ny soatoavina sy ny fomba ary ny kolontsaina Andriana Merina ary tokony haverina amin'ny endriny ivelany sy anatiny taloha izy ireo, ary tsy hampiana zavatra hafa, hoy izy. Ny tsy fanarahana izany dia miteraka ozona sy zava-doza eo amin'ny firenena, hoy ity lehiben’ny fianakaviamben’ny Andriana ity. Tany masina i Madagasikara. Tany aloha dia efa nilaza ity Printsy ity, fa tamin’ny fananganana ny Lapa Manjakamiadana sy ireo hafa ao anatin’ny Rovan’Antananarivo, dia efa misy ny karazan’olona manamboatra azy. Ohatra amin’izany ny mahakasika ny hazo rehetra, izay iantsorohan’ny Andriantompokoindrindra. Ny mikasika ny volafotsy dia ny Andriandranando, ny volamena dia ny Zanadralambo,… Misy zavatra mila arahina fa tsy atao kitoatoa ary tamin’izany no nilazany fa mahafolaka an-datony ary mampianjera fitondrana ny fanaovana zavatra tsy mety amin’io Rovan’Antananarivo izay toerana masina io. Tsy maintsy ary mila miera amin’ny fiombonamben’ny Apanjaka eto Madagasikara, hoy ity filohany ity tamin’izany hoe : ahoana ny fomba hanarenana an’io Rovan’Antananarivo io satria izahay no mitazona ny lakile mikasika ny fanamboarana an’io, ka tsara ilay eritreritra fa tsy maintsy mifampiresaka aminay mba tsy hanaovana zavatra kitoatoa.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana