Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Toetrandro Faritra maro no hanoram-baratra amin’ny faran’ny herinandro

14/02/2020

Tany amin’ny 170 km Atsinanan’i Toamasina no misy ny ivon’ilay sisan-drahona navelan’ny rivodoza Francisco omaly alakamisy tamin’ny 01 ora folakandro.

 

 

 

Manatona miadana ny morontsiraka Atsinanan’ny Nosy izy, antony maha ambony ny tahan’ny fahabetsahan’ny rotsak’orana entiny noho ny hafainganam-pandehany mora dia mora. Ahiana ny tondra-drano  vokatr’izany. Efa mikorontana moa ny toetr’andro amin’ny morontsiraka Atsinanana nanomboka omaly izay hitohy hatramin’ny alahady 16 febroary ho avy izao. Marihina fa efa ao anatin’ny loko mena i Toamasina amin’izao. Lohalaharana amin’ireny i Toamasina I – II, Brickaville, Mahanoro, Vatomandry. Ao anatin’ny  loko mavo kosa ny faritra Vatovavy Fitovinany, Antanambao Manampontsy, Marolambo, Mangoro. Loko maitso ny any Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Ambatondrazaka, Manjakandriana, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Andramasina, Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe I sy II, Fandriana, Ambositra, Manandriana ary Ambohimahasoa. Raha ho an’ny anio zoma dia ho maina ny andro any Atsimo Andrefana, Ihorombe, Androy ary Anosy. Hanoram-baratra kosa ny manerana ny faritra sisa.Rahampitso sabotsy kosa dia hanoram-baratra ny faritra rehetra manerana ny nosy ankoatra ny any amin'ny tapany atsimon'i Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy.tokony hihaodihaody eny an-dranomasina intsony ireo  mponina eny amin’ny morontsiraka rehetra mba hialana amin’ny loza mety hitranga.

Pati

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana