Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanafihana teny Itaosy Ireo mpiasa ihany no nandromba ilay “Cash Point”

14/02/2020

Notanana am-ponja vonjimaika ireo mpiasa 3 voarohirohy ho nanafika ihany ilay “cash point” teny Itaosy Cité ny alatsinainy 10 febroary lasa teo. Tsy fantatra sy tsy voazava hatreto ny fomba nahafahan’izy ireo nitsoaka.

 

Mandeha ny resaka taorian’ny ambara fa fanadihadiana vita fa tsy nisy akory ny fanafihana na fakàna an-keriny ireo mpiasa. Hatreto, dia heverina ho tsaho ninian'ireo mpiasa naely ny hoe fisiana jiolahy sy ny filazana avy eo, fa nisaoty tany ambadiky ny garazy, fa tetika efa voahomana mba hangalarana ilay vola 5 tapitrisa ariary. Taorian'ny fanadihadiana lalina sy famerenana ny tranga nisy teny an-toerana (reconstitution des faits) niampy fihainoana ireo vavolombelona dia voaporofo fa tsy nisy jiolahy nanafika akory teny, hoy ny loharanom-baovao. Nisy tamin'ireo mpiasa no voalaza fa efa nihaiky ny heloka nataony. Raha izay tokoa no tena izy, dia efa tena maty paika ity tetikady ity. Voafitaka ny rehetra, ary nahazo tsiny sy voahompa mihitsy aza ny mpitandro ny filaminana hoe: jiolahy efa voadidina tsy tokony afaka handositra intsony ve dia tafaporitsaka? Sarotra anefa ity raharaha ity, ka ny tohin’ny fanadihadiana no heverina fa mbola hampipoitra ny zavatra tena marina niseho, fa hatreto aloha, dia sinema ny filazana fa misy jiolahy nanafika saingy tafatsoaka. Tsy tokony hihaino feon-dakolosy tokana anefa satria tena nisy ny fanafihana mitovitovy amin’ilay heverina niseho teny Itaosy, raha tsy hilaza afatsy ny teny Ambohidahy Ankandindramamy sy Ambositra.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana