Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tompon’andraikitry ny HJRA Ampefiloha Tsy nisy olona velona nalefa tany amin’ny “Morgue” izany

14/02/2020

Nanome ny heviny ny mpitsabo ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha fa tsy nisy an’izany olona mbola velona ka nalefa tany amin’ny tranom-paty, araka ny vaovao niely izany mihitsy.

 

 

Marihana tsara kosa anefa fa ny olona milaza fa namana akaiky ilay voakasika no nahazoana io vaovao io afak’omaly, ary raha nanontaniana ry zareo dia nanamafy fa izay no zava-nitranga. Tsy marina ny filazana naparitaka tamin’ny Facebook fa nisy vehivavy narary nalefa tany amin'ny tranom-paty na morgue, kanefa tsy maty akory. Ny mpitsabo matihanina ihany no afaka mandray fanapahan-kevitra momba izany, hoy ny fanazavana. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany momba io toe-javatra io ny mpitantana ny hopitaly. Noho io toe-javatra io, dia nohamafisina ny fiaraha-miasan'ny mpampalala vaovao amin'ny tompon'andraikitry ny hopitaly mba hahafahana mahazo vaovao ara-potoana hisorohana ny fifangaroan-javatra na sanatria vaovao tsy mitombina izay mety hanohintohina. Vonona hatrany izahay hizara ny vaovao misy sy marina, hoy ny avy ao amin’ity hopitalim-panjakana ity, ary manome toky ny rehetra fa hentitra ny fanaraha-maso sy ny fomba fiasa ka tsy tokony hitaintaina. Mampitandrina ny mpanely tsaho ihany koa ny tompon’andraikitry ny HJRA fa handray ny andraikiny amin’ny mety ho fanasoketana na fanalam-baraka azy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana