Dans la mme rubrique

Fisomparana ny « Emetteur » Hametraka fitoriana ny Real TV

09/04/2020

Ny talata maraina tamin’ny 6ora sy 31 minitra no tapaka tampoka ny fahitalavitra Real TV, fotoana hamerenana ny fandaharana manokana niarahan’io fahitalavitra io tamin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hoy ny fampitam-baovao.

Fisomparana ny « Emetteur » Hametraka fitoriana ny Real TV

Hamaky ny tohiny...

Fandriana - Amoron'i mania Ravan'ny orambe mikija ny barazy

09/04/2020

Rava niongotra hatramin'ny fotony noho ny fijojon'ny orana nandritra ny herinandro izay ny barazy ao Ambatomirojorojo, Fokontanin'Ambohijato Kaomina ambonivohitr'i Fandriana, mpanondraka velaran-tany 450 ha.

Fandriana - Amoron'i mania Ravan'ny orambe mikija ny barazy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Nitety tanàna ireo fiara mifono vy

09/04/2020

Ara-bakiteny ny fahatanterahan’ny teny hoe rava ny tsena omaly teny Analakely, Behoririka, Andravoahangy sy ny manodidina rehetra iny.

Antananarivo Nitety tanàna ireo fiara mifono vy

Hamaky ny tohiny...

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

07/04/2020

Taorian’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) izay mitaky tsy misy fepetra ny famoahana, dia naneho ny heviny ary nanipika ny UPF (Union de Presse Francophone),

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

07/04/2020

Taorian` ny kabarin` ny filoham-pirenena, izay nilaza fa nitarina 15 andro ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin` ny tany sy ny firenena dia toa lasa fahazarana sisa izany ankehitriny.

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

Hamaky ny tohiny...

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

06/04/2020

Sidina manokana avy any Lafrantsa " Boeing 777" no tonga teny Ivato naka ireo teratany Frantsay sy ireo Malagasy sasany mizaka ny zom-pirenena Frantsay nody any Frantsa ny sabotsy 4 aprily teo .

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

Hamaky ny tohiny...

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

06/04/2020

Manoloana ny fanambarana nataona tompon’andraikitra iray eo anivon’ny rantsana miady amin’ny “cybercriminalité”

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Ambohitrimanjaka Atao kopisoroka ny fanotofana tanimbary ?

14/02/2020

Ao anatin’ny fanilihana noho ny tombontsoan’ny rehetra (expropriation pour utilité public) dia tokony hisy ny fakan-kevitra natao hatramin’ny voalohany fa tsy natao,

 

 

 hoy i Eric Randrianaivo mpitondra tenin’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka. Misy iny minisitra vaovao iny ka tsy hay izay hiseho ato ho ato. Tsy nisy mihitsy fifampiresahana hatreto, ary ny mifanohitra amin’izany aza no renay hoe: misy teknisianina mitady hidina hanao letrezana eny Ambohitrimanjaka, hoy izy. Eo ny olana satria tsy  misy fampiomanana, tsy misy na inona na inona, ka miteny izahay hoe tsy dia mety. Anisan’ny hetsika fampahafantarana fa tany tsy tokony hototofana fa lemaka mamokatra izao ataonay izao, hoy izy nandritra ny fanolorana vary ho an’ny traboina nataon’izy ireo. Tsy manohitra be fahatany fa efa manatona ireo andrim-panjakana toy ny CNIDH mpiaro ny zon’olombelona, ny CRAAD-OI momba ny fiarovana ny tany,… ary tsy ny tetikasa fampandrosoana no toherina fa ny tsy hamotehana ny fivelomana. Tsy pi-maso amin’ny fanjakana iny tolo-tànana iny fa tena fanokafana ny mason'ny mpitondra mihitsy hoe tanimbary tena mamokatra Ambohitrimanjaka sy ny kaominina manodidina azy, lova sarobidy sy vakoka, ka tsy tokony hototofana, hoy hatrany i Eric Randrianaivo.

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana