Dans la mme rubrique

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Paikady Enti-manandratra an'i Madagasikara Hanome 240 tapitrisa euros ny Frantsay

21/02/2020

Nambaran’Atoa Jean-Yves Le Drian, minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay omaly nanoloana ny mpanao gazety fa mitohy ny fifampidinihana ny amin’ny famerenana ny « Iles Eparses » ho an’ny Malagasy.

Paikady Enti-manandratra an'i Madagasikara Hanome 240 tapitrisa euros ny Frantsay

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena olona ambony Nisavoritaka indray ny fanjakana

21/02/2020

Navoakan’ny fampahalalam-baovao iray omaly fa voatendry ho Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo Atoa Andriatongarivo Nasolo Tojonirina,

Fanendrena olona ambony Nisavoritaka indray ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza “Mivangongo loatra amin’ny fanjakana foibe ny fahefana”

21/02/2020

Ny atao hoe fitsinjaram-pahefana mahefa dia fahefana ara-politika, ara-pitantanana ary ara-bola.

Imbiki Herilaza “Mivangongo loatra amin’ny fanjakana foibe ny fahefana”

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Misy depiote manambaka ireo «Assistant parlementaire »

21/02/2020

Misy andiana « Assistant parlementaire », mpiara-miasa akaiky amina solombavambahoaka, mitaraina fa 100 000 Ar no mba tambin-karama omen’ny depiote azy ireo, raha tokony 460 000 Ariary izany.

Antenimieram-pirenena Misy depiote manambaka ireo «Assistant parlementaire »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Raharaham-pirenena Mananontanona indray ny krizy Ny IRD no manana ny maro an’isa

13/02/2020

ao amin’ny antenimiera, saingy tsy tena mahalala sy tsy manana porofo amin’ny fanangonan-tsonia fanonganana ny praiminisitra, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa filohan’ny Antenimieram-pirenena.

 

 

Tsy misy fanangonan-tsonia ary ny mpanohitra tahaka ny TIM aza tsy manao izany. Ny depiote IRD dia miray fo sy miray asa 100% aminy, hoy ny depiote Andry Ratsivahiny. Raha hiverenana ny tantara, efa taorian’ny tolon’ny depiote 73 ny 21 aprily 2018 io no adihevitra be satria tsy nankato an’Atoa Ntsay Christian ireo depiote MAPAR tamin’izany, saingy tsy afa-nanoatra ary nanaiky tsy fidiny. Mbola adihevitra ny namerenana azy teo rehefa lany filoham-pirenena i Andry Rajoelina ny janoary 2019 ary nisy ny ningonongonona fa tokony ho olon-kafa amin’izay satria sady tsy nifofotra no tsy nively vy izy tamin’ny tolona natao sy ny fametrahana an-dRajoelina teo amin’ny fahefana. Mbola te hitazona ny praiminisitra tokoa ihany koa ve ny filoha sa tsy afa-manoatra amin’ny baikon’ny iraisam-pirenena ka mety manetsika ny olony amin’izay ? Na ho raikitra io na tsia na misy na tsia dia somary marisarisa ny fifandraisana eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna. Mifampiandry kendritohina ny antenimierandoholona sy ny fahefana mpanatanteraka satria mikatsaka ny hanao fifidianana loholona mialoha ny fotoana ny fanjakana ankoatra ny endrika fahirano. Io fa mieloelo ny resaka fanonganana ny praiminisitra. Vao tsy ela no nanolo governemanta, ka ho fiaingana vaovao indray, raha hisy tokoa ny fanalana praiminisitra.  Hafampana ny toe-draharaha politika amin’ity 2020 ity, ary tsy tongatonga ho azy ny fifohazana nataon’ireo heverina fa efa nangingina tany tahaka ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Serge Zafimahova vao tsy ela. Hisy fanonganam-panjakana eto amin’ity taona 2020 ity, hoy ny Pasitera Mailhol, herinandro vitsy izay. Asa inona tokoa re no hitranga ?

 

Toky R sy Marigny A

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana