Dans la męme rubrique

Vaka ihany ny saina

09/04/2020

Mivahavaha ny fiheritreretana manoloana ny zava-mitranga rehetra.

Vaka ihany ny saina

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

08/04/2020

Tsy lavina fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika Malagasy amin’izao fotoana izao. Samihafa ny hamehana na ny “Etat d’Urgence”

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

Hamaky ny tohiny...

Fotoana fibebahana

07/04/2020

Ao anatin’ny fankalazana ny herinandro masina moa ankehitriny ny mpino Kristianina.

Fotoana fibebahana

Hamaky ny tohiny...

Mitaky fahamatorana

06/04/2020

Raha misy ny lesona iray tena lehibe tokony ho tsoahan’ny tsirairay, amin’izao fandalovan’ny Coronavirus izao na olom-pirenena io na mpitondra fanjakana dia ny fandaminana.

Mitaky fahamatorana

Hamaky ny tohiny...

Marimpana hafahafa

04/04/2020

Naman’ny atao hoe tontosa izany aloha izay ny andiany voalohany tamin’ny fisedran’i Madagasikara ny fihibohana an-trano hiarovan-tena amin’ny

Marimpana hafahafa

Hamaky ny tohiny...

Mampiroaroa saina

03/04/2020

Adihevitra hatrany am-piandohana ny momba ny fifehezana ny fidiran’ny valanaretina coronavirus, ka nivoahan’ny resaka fanakatonana sisin-tany na fampitsaharana ny sidina avy any Eoropa.

Mampiroaroa saina

Hamaky ny tohiny...

Aiza ny fihainoana ny hafa?

02/04/2020

Na dia miezaka ny mampitony sy mampiseho amin’ny vahoaka malagasy fa mahafehy an’ity fahavalom-pirenena iombonantsika ankehitriny ity aza ny

Aiza ny fihainoana ny hafa?

Hamaky ny tohiny...


Edito

Edito Fanoto sy laona

13/02/2020

Hatreto aloha izany i Madagasikara dia mbola firenena ao anatin’ilay antsoina hoe tsy tafavoaka.

 

 

Amin’ny lafiny rehetra io na politika na toekarena na diplaomasia, indrindra moa fa ny sosialy. Azo lazaina ho porofon’izany ireo fanapahan-kevitra mandroso mihemotra isan-karazany na any amin’ny rafitra faratampony toy ny minisitera na amin’ireo rafitra heverina ho ifotony toy ny kaominina. Mahazo mivarotra tampoka indray, hono, mantsy fa mila maka sisiny tsara fotsiny. Tsy izay fanapahan-kevitra mandroso mihemotra izay ihany koa anefa no olana fa mazava be tokoa izany izao fa tsy hahafaha-mihetsika ny gejan’ny rafitra izay voafaritry ny lalam-panorenana eto amin’ny firenena. Lalàna natao ho an’ny tombontsoan’izay mitondra fa tsy ho an’ny fampandrosoam-pirenena. Tsy ivalamparana ny porofo mikasika an’izay fa inoana fa samy resy lahatra amin’izany ny rehetra rehefa mahita depiote miverina amin’ny toerany rehefa avy nalana tany an-toeran-kafa, ohatra. Eo koa ny fetran’ny fahalalahan’ny fahefana mpanatanteraka hanendry izay tena hitany ho afaka hiara-kiasa aminy. Anjorom-bala ny fiainam-bahoaka satria toy ny fanoto sy laona manoto vary ny ataon’ireo mpanao politika miady seza amin’ireo vahoaka. Ny madinika hatrany voatoto satria hiharan’ny tsy fahaiza-mitantana rehetra. Mizaka ity famoronan-ketra rehetra ity sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Rafitra efa nolovaina tamin’ny fanjanahantany koa angamba izy ity sa efa miha mipetraka eto amin’izao tontolo izao mihitsy ilay antsoina hoe “loi du plus fort”? izay ilay nolazaina teo hoe ny lafim-piainana rehetra mihitsy, indrindra moa, ho antsika afrikanina, izay an-dalam-pandrosoana ny ankamaroan’ireo fireneny. Iny izao ny mpilalao kitra iraisam-pirenena Malagasy iray dia miverina manana olana indray amin’ny kliobany fahiny teto Madagasikara sy ny klioba nandray azy niala teto. Olan’ireo klioba dia any amin’ilay mpilalao no miantraika. Eo amin’izay taranja izay hatrany. Satria ve mitady handroso ny baolina kitra afrikanina dia atao mihitsy izay fomba rehetra hiverenany hihemotra lavitra indray amin’ny alalan’ity fikasana hanao CAN isaky ny 4 taona ity ?

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana