Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Mpivarotra amoron-dalana Mahazo mivarotra indray fa maka sisiny tsara fotsiny

12/02/2020

Tsikaritra tato anatin’ny andro vitsy izay fa niha nitombo isa indray ny mpivarotra amoron-dalana teto Antananarivo Renivohitra raha toa ka nisy fotoana efa nadio ny sisin-dalana.

 

 

 

 Nahitana io fiverenana io ny enyAnosy,  Anosibe, Analakely, Behoririka. Nisy ny fifampiresahan’ny kaominina sy ireo mpivarotra, hoy Atoa Randrianarisoa Rija talen’ny tsena ka nifanarahana fa hiala anaty arabe fa kosa haka sisiny ireo mpivarotra amoron-dalana mba tsy hanelingelina ny fifamoivoizana. Misy kosa anefa, hoy ny fanazavany ireo toerana tena tsy misy famindram-po fa tsy mintsy miala ny mpivarotra amoron-dalana. Nitaraina moa, araka ny filazany, ireo mpivarotra ka izay no nahatonga ny kaominina tsy tonga dia nanaisotra avy hatrany azy ireo fa nandefitra. Saingy raha ny hita aloha dia mbola miteraka fanelingelenana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny fifamoivoizana ihany io fandaminana io izay tsy vaovao fa efa nampiharin’ny mpitantana ny kaominina teo aloha ihany koa ary niteraka sahoan-dresaka be aza tamin’ílay fametrahana ny “ligne jaune” teny Analakely. Hita izao omaly teny Analakely, Behoririka sy Anosibe fa tena nihabetsaka indray ireo mpivarotra amoron-dalana. Ny eny Anosy moa dia lasa tsena vaovao hafa mihitsy indray. Nilaza ny lehiben’ny tsena fa hatsangana ato ho ato ny polisin’ny tsena hanara-maso ny tsena, mijery ireo mpivarotra midina anaty arabe sy mandrindra ny fifamoivoizana. Mbola lavitr’ezaka ny fandaminana ny tsena sy ny mpivarotra eto an-drenivohitra.

RTT

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana