Dans la mme rubrique

Ketrika.com Fihenam-bidy goavana hatramin’ny 50%

10/04/2020

Nanomboka ny 09 aprily ny “vente flash” miavaka izay atolotry ny www.ketrika.com ho an’íreo mpanjifa .

Ketrika.com Fihenam-bidy goavana hatramin’ny 50%

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Mpampindram-bola madinika Izay vola tena sahaza no homena ny mpanjifa

10/04/2020

Nanentana ny mpanjifany ireo Orinasa mpampindram-bola madinika (IMF) ny mba haka vola amin’izay tena sahaza fa tsy hanao mihoatra ho fifampitsinjovana.

Orinasa Mpampindram-bola madinika Izay vola tena sahaza no homena ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

09/04/2020

Hiara-hiasa akaiky ary hifanampy sy hifameno ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana hanavotana ny toekarena izay mitotongana hatrany noho ny fisian’ny valanaretina Corona virus.

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

08/04/2020

Maro ireo mpandraharaha eto amin` ny firenena no miandry tohana avy amin` ny governemanta manoloana ny fiparitahan` ny aretina Covid-19.

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

Hamaky ny tohiny...

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

08/04/2020

Saika miroso tsikelikely anaty krizy avokoa ireo orinasa misy ankehitriny. Amin’izao fotoana izao dia efa tsy maintsy nirosoana ny fanenana mpiasa amin’ireo orinasa Call Center sasany.

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

07/04/2020

Mila fepetra mafy sy matotra avy amin’ny fanjakana ny fanarenana ny toekarena indrindra aorian’ny mety ho fifehezana ny valan’aretina coronavirus.

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

07/04/2020

3,8% ny fitomboana ara-toekarena novinavinaina ho an’i Afrika tamin’ity taona 2020 ity.

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

International Tourism Fair Madagascar 2020 Hanamora ny fahatrarana ny tanjona

12/02/2020

Hampirisika ny rehetra hisehatra amin’ny fizahantany no antom-pisian’ny hetsika fampirantiana International Tourism Fair Madagascar (ITM).

 

 

 

Amin’ity taona 2020 ity dia hotanterahina ny 18 hatramin’ny 21 jona eny amin’ny CCI Ivato ny andiany fahasivy amin’ny Salon ITM 2020. Mpisehatra matihanina amin’ny fizahantany miisa 330 no handray anjara ka anisan’izany ny Agence de Voyage, ny tours opérateurs, ireo mpandraharaha sy mpampiofana eto an-toerana sy avy any ivelany amin’ny sehatra fizahantany ary ireo ofisy nasionalin’ny fizahantany avy amin’ireo Nosy manodidina. Tanjona ny hampihaonana ireo mpandraharaha Malagasy sy ireo matihanina rehetra amin’ity sehatra ity. Fotoana ahazoan’ny mpanjifa rehetra mahafantatra ny fizahantany rehetra ihany koa, indrindra ny any amin’ny faritra, ary hitaizana ireo olon-tsotra hanao fizahantany. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fikambanana Mpanao Gazety matihanina misehatra amin’ny fizahantany avy any Espagne ho avy eto Madagasikara amin’io fotoana io. Hiezaka hampahafantatra ny mampiavaka ny firenena Malagasy any amin’ny taniny no anton-dian’izy ireo ary handresy lahatra ireo mpandraharaha sy ny mpamatsy vola hisehatra amin’ny fizahantany eto. Ho hita amin’io fotoana io ireo tolotra ara-pizahantany rehetra misy eto Madagasikara ka hampiseho ny mampiavaka azy ny faritra tsirairay. Mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny faha-60 taona nahazoan’ny firenena Malagasy ny fahaleovantena amin’ity andiany ity ary hararaotina ny hisintonana mpizahatany maro be. Mahatratra 30 000m² ny velarana hanaovana fampirantiana ary mitsinjara toerana lehibe 8 toy ny toerana ho an’ireo matihanina, ny fanaovana famelabelarana, ny fampahafantarana ny trano fandraisam-bahiny sy ny fisakafoanana misy. Ny taona 2019 dia nahatratra 15000 ny nitsidika ny Salon ITM ary amin’ity dia hiandrasana mpitsidika hatrany amin’ny 18 000 izay hampitombo hatrany amin’ny 20% ny mpitsidika. Misy ihany koa ny fikarohana lalam-barotra vaovao amin’ireo firenena avy any ivelany tahaka ny India sy Afrika ary Eoropa Atsinanana. Izany rehetra izany dia hanamorana ny fanatrarana ny tanjona izay hampidirana mpizahatany 500 000 amin’ny taona 2023.

 

Tsirinasolo

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana