Dans la mme rubrique

Ketrika.com Fihenam-bidy goavana hatramin’ny 50%

10/04/2020

Nanomboka ny 09 aprily ny “vente flash” miavaka izay atolotry ny www.ketrika.com ho an’íreo mpanjifa .

Ketrika.com Fihenam-bidy goavana hatramin’ny 50%

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Mpampindram-bola madinika Izay vola tena sahaza no homena ny mpanjifa

10/04/2020

Nanentana ny mpanjifany ireo Orinasa mpampindram-bola madinika (IMF) ny mba haka vola amin’izay tena sahaza fa tsy hanao mihoatra ho fifampitsinjovana.

Orinasa Mpampindram-bola madinika Izay vola tena sahaza no homena ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

09/04/2020

Hiara-hiasa akaiky ary hifanampy sy hifameno ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana hanavotana ny toekarena izay mitotongana hatrany noho ny fisian’ny valanaretina Corona virus.

Olana ara-toekarena Nanome toky fanjakana fa hanohana ny sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

08/04/2020

Maro ireo mpandraharaha eto amin` ny firenena no miandry tohana avy amin` ny governemanta manoloana ny fiparitahan` ny aretina Covid-19.

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

Hamaky ny tohiny...

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

08/04/2020

Saika miroso tsikelikely anaty krizy avokoa ireo orinasa misy ankehitriny. Amin’izao fotoana izao dia efa tsy maintsy nirosoana ny fanenana mpiasa amin’ireo orinasa Call Center sasany.

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

07/04/2020

Mila fepetra mafy sy matotra avy amin’ny fanjakana ny fanarenana ny toekarena indrindra aorian’ny mety ho fifehezana ny valan’aretina coronavirus.

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

07/04/2020

3,8% ny fitomboana ara-toekarena novinavinaina ho an’i Afrika tamin’ity taona 2020 ity.

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Madagasikara Mpizahatany 378 000 no tonga tamin’ny 2019

12/02/2020

Raha ny taona 2008 no tsara indrindra ny tarehimarika tamin’ireo mpizahatany nitsidika an’i Madagasikara,

 

 

izay nahatratra 375 000, dia voasongona tamin’ny taona 2019 lasa teo satria efa tafakatra 378 000 araka ny tatitry ny minisitry ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro, Joel Randriamandranto tetsy Anosy. Maro, hoy izy ny antony nahatongavana tamin’izany ary tsy maintsy tohizana ny ezaka rehetra toy ny ezaka fanohanana tsy tapaka nataon’ny minisitera tamin’ireo mpandraharaha. Izay nanana hetsika rehetra tany amin’ny faritra mantsy, ka mahakasika ny fizahantany, dia nampiana avokoa. Teo ihany koa ny fanohanana ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany eto Madagasikara izay nanokanana tetibola manokana mihitsy ny amin’ny ezaka fampahafantarana ny firenena Malagasy nataony any ivelany. Nanampy tamin’ny fanatsarana ny tarehimarika ihany koa ny fametrahana ny sehatra fizahantany ho laharam-pahamehana ary natao maro ny tolotra fa tsy najanona fotsiny tamin’ny resaka zava-boahary. Anisan’izany, ohatra, ny nisian’ny hetsika fifaninanana iraisam-pirenena tamin’ny taranja Golf izay haharitra 3 taona eto Madagasikara ka amin’ny taona 2021 vao hifarana. Amin’izao fotoana izao aza dia efa misy sahady mpikarakara fifaninanana amin’io taranja io ihany, mangataka ny hanaovana azy eto amin’ny firenena, hoy ny minisitra. Mbola mainka hanatsara ny sehatra fizahantany ihany koa ny nanamboarana lalana fanaovana randonnée 180Km izay efa eo an-dalam-pamaranana sy ny fitiliana tsena vaovao amin’ny Salon ITM andiany fahasivy hotanterahina ny volana jona ho avy izao. Eo ihany koa ny nanokafana ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka vaovao GS Airlines Tana-Fianarantsoa-Mananjary-Tana izay efa hita sahady ny akony. Hitondra mankany amin’ny fahatokisan’ireo mpandraharaha an’I Madagasikara ireny ary nilaza ny minisitra fa ity taona 2020 ity dia hanombohana ireo fotodrafitrasa maro hanatrarana ny tanjona amin’ny taona 2023.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana