Dans la mme rubrique

Espana sy Etazonia Mitombo be ireo tsy an’asa

03/04/2020

Nitombo 300 000 ny isan’ireo tsy an’asa any Espana ary amin’izao fotoana izao dia miisa 6 600 000 izay manome 10% amin’ny vahoaka amerikana no tsy miasa.

Espana sy Etazonia Mitombo be ireo tsy an’asa

Hamaky ny tohiny...

Philippine Tifirina ho faty izay tsy manaja ny fihibohana

03/04/2020

Maherin’ny 50 000 ny maty maneran-tany, ary ary efa maherin’ny 1 tapitrisa ny olona voamarina fa tratry ny Covid 19, ka ny 500 000 amin’ireo dia any Eoropa avokoa. Mbola ho sarotra ny ady, raha jerena amin’ny fitomboan’ny olona maty, indrindra ireo any amin’ireo ivon’ny aretina amin’izao fotoana izao. Voasokajy ho krizy mafy indrindra teto ambonin’ny tany taorian’ny ady lehibe faharoa no lalovan’izao tontolo izao ankehitriny.

Philippine Tifirina ho faty izay tsy manaja ny fihibohana

Hamaky ny tohiny...

NEW YORK Lasa fandraisana marary ny complexe us open

01/04/2020

Mba hanampiana ny hopitaly any New York amin’ny fikarakarana ireo olona voan'ny coronavirus dia navadika vonjimaika handraisana an'ireo marary hafa ny "Complexe Us Open" any an-toerana.

NEW YORK Lasa fandraisana marary ny complexe us open

Hamaky ny tohiny...

Rwanda Aterina isan-tokatrano ny vatsy tsinjo

30/03/2020

Mbola manaporofo hatrany ny maha mpitarika (leader) azy ny filoham-pirenena any Rwanda, Paul Kagame.

Rwanda Aterina isan-tokatrano ny vatsy tsinjo

Hamaky ny tohiny...

Tanàna any Sina Afaka hifamezivezena amin` izay afa-tsy Wuhan sy Hubei

27/03/2020

Na dia nihena aza ny herin` ny aretina “coronavirus » any Sina, dia miahiahy indray ireo manampahefana sinoa amin' ny fahatongavan' ireo zotra an`habakabaka avy any ivelany.

Tanàna any Sina Afaka hifamezivezena amin` izay afa-tsy Wuhan sy Hubei

Hamaky ny tohiny...

CORONAVIRUS MANERAN-TANY 2700 MAHERY NO MATY TAO ANATIN’NY 72 ORA

23/03/2020

Niakatra izay tsy izy ny maty tao anatin’ny 72ora. Raha 11 147 izany maneran-tany ny zoma teo tamin’ny 10 ora alina, dia 14 376 kosa izany omaly alahady tamin’ny 11ora alina, izany hoe nisy olona maty vaovao 2729.

CORONAVIRUS MANERAN-TANY 2700 MAHERY NO MATY TAO ANATIN’NY 72 ORA

Hamaky ny tohiny...

CORONAVIRUS Mitombo isa hatrany ireo marary maneran-tany

19/03/2020

Eoropa:mihazakazaka ny fiparitahan’ny aretina Efa mihoatra ny 200 000 nanomboka omaly tolakandro ny olombelona voan’ny Coronvirus amina firenena 156 maneran-tany; 214 010 no voambara fa tratran’ity valan’aretina ity arak any tarehimarika nivoaka omaly 18 martsa tamin’ny 10 ora sy sasany alina, ora eto

CORONAVIRUS Mitombo isa hatrany ireo marary maneran-tany

Hamaky ny tohiny...


Any Ivelany

Coronavirus Sinoa 9 sy Malagasy 8 arahi-maso eny Anosiala

12/02/2020

Sinoa 9 sy teratany Malagasy 8 no arahi-maso fatratra eny amin’ny Hopitaly CHU Anosiala Ambohidratrimo amin’izao fotoana izao noho ny fahamailoana sy fisorohana ny mety hidiran’ny Coronavirus eto

 

 

Madagasikara, araka ny tatitry ny DGSF (Diréction Générale de Fourniture des Soins). Roa no nisy fambaran’aretina, ka ny iray amin’ireo no efa voamarina fa tsy tratry ny Coronavirus, hoy ny DGSR. Ahiana ho izy ve izany ilay iray hafa ? Somary hafahafa sy mampitaintaina ilay endriky ny serasera. Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fandraisana an-tanana ireo olona ahiahiana. Ankoatra io, dia raràna manomboka izao ny fahatongavan’ny fiaramanidina avy any Chine maketo Madagasikara, araka ny naoty navoakan’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar). Ireo latsaky ny 14 andro no avy any no tratran’io. Raha  tsiahivina ny CHU ao Anosiala,  Kaominina Anosiala, Distrikan’ Ambohidratrimo dia hôpitaly lehibe sy anisan'ny hari-fomba indrindra eto Madagasikara. 18 km miala an'Antananarivo, raha mizotra miankandrefana amin'ny lalam-pirenena faha-4 miazo an'i Mahajanga no misy azy.Eny no toerana natokan'ny Fanjakana handraisana an-tanàna ireo olona ahiahiana ho tratry ny aretina "Coronavirus" ity hôpitaly iray ity.

 

1016 no maty

 

Hatramin’ny omaly, dia mahatratra 1016 ny maty, ary 42 638 ny mitondra ilay tsimokaretina. Mijanona ho firenena 24 no ahitana azy. Efa tranga faha-13 no hita tany Etazonia omaly, Kanada 7, Alemaina 14 ; Frantsa 11, Singapour 43, Thaïlande 32, Vietnam 13, Corée du Sud 27,… Tany amin’ny taona 1981 no efa nisy boky mitondra ny lohateny hoe “Wuhan 400”, izay naneho fa hisy areti-mandoza mety handripaka olona maro be, ka asa na fifandrifian-javatra fa dinihina lalina io amin’izao. Tao Wuhan no niaingan’ny Coronavirus. Mandeha ihany koa ny adihevitra goavana amin’ny fiheverana fa zavatra amboarina hamelezana ny Sinoa ity conavirus ity, mba hanalefahana ny tanjaka ara-toekarena hanananízy ireo.

 

 

Toky R sy Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana