Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanafihana teny Itaosy Tafaporitsaka ireo jiolahy nanafika “Shop Airtel”

11/02/2020

Nisy nanafika ny “Shop Airtel” iray teny Itaosy Cité omaly takariva tokony ho tamin’ny 5 ora.

 

Taraiky tao anatiny anefa ireo mpangalatra, ary nanao takalon’aina ny ramatoa 50 taona tao anatiny tao. Nanao bemidina ny zandary sy ny polisy, rehefa nisy ny fampandrenesana. Voahodidina ny tanàna. Nifamahofaho tanteraka ny resaka avy eo, ka raha ny vaovao farany voaray omaly hariva, dia tafaporitsaka ireo jiolahy, ary lasa ny vola 5 tapitrisa ariary sy ny finday maromaro.

SARY 1

 Tsy nokasihan’izy ireo kosa ilay ramatoa lehibe. Roalahy ka nitondra basy ny iray, ary antsy lava kosa ny iray no nanafika raha ny fanazavana. Ny 3 febroary no efa nisy fanafihana tahaka izao teny Ambohidahy Ankadindramamy, ka jiolahy roa nitondra basy sy antsy tahaka ny teny Itaosy no nanao ny asa ratsy, ka tsy hay na ireo ihany na nanao ity asa ratsy omaly ity na hafa indray. Nirefodrefotra vao maraina ny basy tamin’izany satria teo am-pamohana ny toeram-pivarotana no notapohan’ireo jiolahy roa tsy nisaron-tava. Nitifitra ka nahavoa ilay nokendrena ary lasa ny vola iray sakaosy. Mbola nanapoaka basy in-droa teo am-pitsoahana, ary nisara-dalana, ka ilay nitondra basy no nitondra ny vola.

 

Vao ny sabotsy lasa teo ihany koa no nisiana fanafihana tany Ambositra, ka voatifitra sy voatsatoka antsy ireo mpivady lehibe tao an-trano. Tena tsy milamina ny tany, ary sesilany ny fanafihana toerana misy fikirakirana vola tahaka ireny tato ho ato, izay mila andraisana fepetra hentitra. Raha ireo tranga roa teto Antananarivo, dia azo eritreretina ho misy ifandraisany. Tsy ny fanafihana toerana tahaka ireny ihany fa tena tsy milamina ny tany na ambanivohitra na an-drenivohitra.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana