Dans la mme rubrique

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

08/04/2020

Maro ireo mpandraharaha eto amin` ny firenena no miandry tohana avy amin` ny governemanta manoloana ny fiparitahan` ny aretina Covid-19.

Fepetra ara-toekarena Miandry ny tena fampiharana azy ireo mpandraharaha

Hamaky ny tohiny...

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

08/04/2020

Saika miroso tsikelikely anaty krizy avokoa ireo orinasa misy ankehitriny. Amin’izao fotoana izao dia efa tsy maintsy nirosoana ny fanenana mpiasa amin’ireo orinasa Call Center sasany.

Call Center Miditra anaty krizy ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

07/04/2020

Mila fepetra mafy sy matotra avy amin’ny fanjakana ny fanarenana ny toekarena indrindra aorian’ny mety ho fifehezana ny valan’aretina coronavirus.

Fanarenana ny toekarena Afaka 2 na 3 taona vao tokony handoa hetra ny Orinasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

07/04/2020

3,8% ny fitomboana ara-toekarena novinavinaina ho an’i Afrika tamin’ity taona 2020 ity.

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Hanafoana ny trosa amin’ireo firenena afrikana tena marefo

Hamaky ny tohiny...

BAR sy toeram-pisotroana Maro no mbola misokatra

03/04/2020

Mbola tsy voafehy ny fivarotana toaka eto Antananarivo satria tena maro no mbola misokatra ary maro be ihany koa ireo mpanjifa.

BAR sy toeram-pisotroana Maro no mbola misokatra

Hamaky ny tohiny...

Kaompaniam-piantohana Hahazaka ireo fatiantoka marobe ve ?

03/04/2020

Ny sehatra fiantohana dia afaka itarafana ny fandrosoan’ny toekarenan’ny firenena iray.

Kaompaniam-piantohana Hahazaka ireo fatiantoka marobe ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fidiram-bola amin’ny fandaniana ara-tsosialy Nahena ny hetra alaina aminy

02/04/2020

Ho fampiharana ny fehezan-dalàna mifehy ny hetra sy ho fanatanterahana ny fanambarana mahakasika ny fahamehana ara-pahasalamana napetraka tamin’ny

Fidiram-bola amin’ny fandaniana ara-tsosialy Nahena ny hetra alaina aminy

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Fanafarana sakafo avy any ivelany Ilàna fanaraha-maso akaiky

11/02/2020

Nisy ny atrikasa fanofanana ho an’ny famolavolana rafitra fanaraha-maso ny sakafo hafarana avy any ivelany izay nanomboka omaly 10 febroary ary ho tapitra ny 13 febroary ho avy izao.

 

 

 Atrikasa tohanan’ny « Fonds fiduciaire du Codex Alimentarius » ary ahafahana mijery ny rafitra sy ny asa fanaraha-mason’ny sakafo hafarana avy any ivelany eto Madagasikara. Tanjona ihany koa  ny hiampitana mankany amin’ny rafitra fanaraha-maso matotra kokoa momba izany sakafo hafarana izany. Ny fanaraha-mason’ny fanafarana ny sakafo avy any ivelany dia mitaky fanamafisana fahaiza-manao eo anivon’ny mpikambana ao amin’ny komity nasionalin’ny Codex Alimentarius eto Madagasikara. Noho ny fiankinan-dohan’i Madagasikara momba ny fanafarana sakafo dia mitana anjara andraikitra lehibe ny fiarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa sy ny mponina. Natao ihany koa ity atrikasa ity hanamorana ny varotra manodidina ny sakafo hafarana eto Madagasikara sy hanome antoka ny mpanjifa amin’ny fahazoany sakafo madio sy ara-pahasalamana maharitra. Nanambara ny teo anivon’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (FAO) fa ny  sakafo ara-pahasalamana no hitarafana ny fandrosoan’ny firenena ary ny sakafo jifaina amina firenena iray dia azo hitsarana sahady ny tanjany ara-toekarena. Maro be ny olana mety ho azo avy amin'ny sakafo tsy ara-pahasalamana tahaka ny aretina izay tsy ahafahana miasa sy mamokatra. Ankoatr’izay dia nilaza ny teo anivon’ny minisiteran’ny varotra fa  mampihen-danja ny fahazoana ny tsena, ny fizahantany  ny tsy fahalavorarian’ny sakafo misy ary mampitarazoka ny fahantrana mihitsy. Raha ny eto Madagasikara dia mbola mila ezaka be satria iaraha-mahita ireny sakafo maro amoron-dalana izay tsy misarona sy tsy ara-pahasalamana ireny. Efa nilaza ny teo anivon’ny minisitera fa efa misy fanaraha-maso mandeha mba hanarahan’ny mpivarotra, indrindra ny hanimasaka, ny fenitry ny fanodinana sy famokarana sakafo ataony mba ho tombony amin’ny vahoaka rehetra. Hatreto aloha dia tsy hita ny akony fa mainka aza mitombo isan’andro ireo mpivarotra sakafo tsy ara-pahasalamana.

 

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana