Dans la mme rubrique

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

10/04/2020

Sosotra sy tezitra ireo mponina teny Masinandriana Avaradrano satria nambaran’izy ireo fa kiantrano an-trano izay tsy izy ny fananganana ny komity

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

Hamaky ny tohiny...

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

10/04/2020

Hita fa tsy misangy tokoa ny fanjakana ka namoaka ireo fiara mifono vy amin’izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara izao.

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

09/04/2020

Ny Hetsiky ny Firaisamonim-pirenena ROHY dia maneho etoana ny tsy fankasitrahany manoloana ny fitazonana amponja an-dRamatoa Rahelisoa Arphine,

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

Hamaky ny tohiny...

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

09/04/2020

Taorian’ny fampakarana ny raharaha sy ny fangatahana famotsorana vonjimaika ny mpanao gazety,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanapahan-kevitra sy didy avoakan’ny HCC Lasa mampisavorovoro saim-bahoaka fotsiny

11/02/2020

Mbola betsaka ny fanehoan-kevitra mandeha mahakasika ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izay nilaza fa nomena fe-potoana ny fitondram-panjakana hampita amin’ireo didy hitsivolana maro izay mila hampandalovina eny amin’ny Antenimieram-pirenena mba hampanankery azy ireny.

 

 

 

 Ny zava-misy dia tsy voahaja ny didy navoakan’ny HCC tamin’ny volana febroary 2019 izay nandidy fa farafahatarany ireo didy hitsivolana,  izay lalàna navoakan’ny filoham-pirenena, dia tsy maintsy hampandalovina sy laniana eny amin’ny Antenimieram-pirenena .Izany hoe omena lanja mifanaraka amin’ny lalàna mba hanan-kery. Ny nataon’ny HCC dia nanome fotoana fanampiny indray ny fahefana mpanatanteraka hitondra izany eny amin’ny fahefana mpanao lalàna. An-kilan’izay, misy lalàna mifehy ny tetibola sy resaka famatsiam-bola tsy mila hampandalovina eo anivon’ny Antenimieram-pirenena intsony, hoy hatrany ny HCC. Tsy navahana roa moa ireo didy hitsivolana tamin’ny navoaka satria tsaroana ihany koa ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana 2019 dia tahaka izay ny fomba namoahana aza. Mbola adihevitra amin’izao satria dia lasa maro ny mahay lalàna. Very hevitra ny olom-pirenena: misy didy nivoaka fa tsy narahina; misy efa hita fa tsy mety, izany hoe tsy araka ny lalampanorenana kanefa ekena ihany aloha ary omena fe-potoana hanitsiana azy ny governemanta. Ilay fampiharana ny lalàna mihitsy no tsy mazava intsony.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana