Dans la mme rubrique

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

10/04/2020

Sosotra sy tezitra ireo mponina teny Masinandriana Avaradrano satria nambaran’izy ireo fa kiantrano an-trano izay tsy izy ny fananganana ny komity

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

Hamaky ny tohiny...

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

10/04/2020

Hita fa tsy misangy tokoa ny fanjakana ka namoaka ireo fiara mifono vy amin’izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara izao.

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

09/04/2020

Ny Hetsiky ny Firaisamonim-pirenena ROHY dia maneho etoana ny tsy fankasitrahany manoloana ny fitazonana amponja an-dRamatoa Rahelisoa Arphine,

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

Hamaky ny tohiny...

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

09/04/2020

Taorian’ny fampakarana ny raharaha sy ny fangatahana famotsorana vonjimaika ny mpanao gazety,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...


Politique

Naina Andriantsitohaina Tsy maintsy manenjana raha te hahavita asa haingana

11/02/2020

Manomboka hita soritra tsikelikely ny fomba fitantanana nosafidian’ny ben’ny tanàna vaovao Naina Andriantsitohaina ny renivohitra.

 

 

 

 Tonga dia vavany fa tsy misy andraso andraso. Tsaroana fa vao lany izy no nanomboka ny fandaminana ny sisin’ny arabe tamina faritra maro teo Antananarivo. Niditra an-tsehatra avy hatrany nanala ireo mibahana arabe sy nampianatra ny olona indray hiampita amin’ny faritra natokana amin’ízany ny polisy, zandary sy miaramila. Mbola mitohy hatramin’ízao io hetsika io. Hita taratra tao amin’ny tetibolan’ny kaominina ihany koa fa nidangana ny sazy alaina amin’íreo fiara nandika lalàna ka miditra “fourrière”. Efa nirosoana ny fanesorana ireo trano kely (box) eny amoron-dalana, ny mpivarotra amoron-dalana izay mbola somary sarotsarotra aloha hatreto kanefa fantatra fa tsy maintsy alamina io raha ny fandaharanasan’ny ben’ny tanàna no raisina. Ao anatin’ny fandaminana haingana ny tanàna izay ihany dia nihaona tamina antokon-draharaha sy sokajin’olona maro ny ben’ny tanàna. Nidinika tamin’íreo koperativa mpitatitra eto an-drenivohitra izy ny 5 febroary. Anisan’ny loharanon’ny tohamboivoy eraky ny lalana mantsy ireo taksibe. Ny ampitson’íny, izany hoe ny 6 febroary dia nihaona tamin’íreo mpivarotra teny amin’ny Petite vitesse izy ka namerina indray fa aleo miditra ao anaty tsena avokoa. Hisy ny fanamboarana ny tsena ary alamina ny toerana fa miditra anaty tsena avokoa ny mpivarotra no tanjona. Fambolen-kazo 3500 fototra kosa no nankalazana ny faha-20 taonan’ny polisy monisipaly ary dia niaraka nifety tamin’ireo polisin’ny CUA ny Ben’ny tanàna sy ramatoa vadiny ary ireo mpiasan’ny kaominina ny sabotsy 8 febroary teo. Mazava ny resaka fa mampiomana ireo mpiara-miasa aminy sy ny mponina eto Iarivo ny ben’ny tanàna fa tsy maintsy irosoana ny fandaminana ny renivohitra. Olona hentitra fomba fiasa no fahafantarana an’i Naina Andriantsitohaina fony izy mpandraharaha, ary tsy manaiky raha tsy tratra ny tanjona napetraka, tahaka ireo mpandraharaha rehetra lasa mpanefoefo sy manana ny maha izy azy. Inoana fa tsy niova ny toetrany rehefa niditra tamin’ny politika izy, fa mbola ilay hentitra fomba fiasa sy fitantanana ihany… Ny andrasan’ny rehetra dia ny paikady hampiasainy satria tsy mora ny handamina an’Antananarivo. Ny fitantanana tanàna tsy voatery hitovy amin’ny fitantanana orinasa. Mifangaro ao mantsy ny resaka teknika, sosialy ary politika. Tsy afaka miala bala amin’ny mety tsy fahombiazana intsony anefa i Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany satria efa nalentika tao an-tsain’ny olona tamin’ny propagandy fa mandroso haingana isika rehefa ny olona mitovy firehana politika amin’ny fitondrana no mitantana ny renivohitra. Samy miandry io fampandrosoana haingana io ny  rehetra amin’izao fotoana. Hita koa anefa fa mbola mandamina sy mitsapa marina ny halalin’ny rano ingahy ben’ny tanàna sy ny ekipany vao tena hiroboka. Zavatra efa nanaovana velirano moa ilay izy koa tsy misy miverin-dalana intsony fa tsy maintsy tanterahina ary tena mila fahasahiana io. Ny olana sy ny sakana misy foana fa anjaran’ny mpitantana sy ny mpitarika no mikaroka haingana ny vahaolana raha tena hanao marina.

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana