Dans la mme rubrique

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”

28/03/2020

Namoaka fanambarana ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena manoloana ny aretin-mandoza “coronavirus” izao. Voalohany,mbola manamafy hatrany

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Niantso fahamatorana ho an’ireo sehatra tsy miankina

27/03/2020

Aoka isika mba ho matotra, hoy ny minisitry ny atitany, Tianarivelo Razafimahefa, omaly mantsy ireo sehatra tsy miankina mbola voatery manohy ny fampiodinana

Minisitry ny atitany Niantso fahamatorana ho an’ireo sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Fahafahan’ny mpanao gazety mivezivezy Nifampiresaka tamin’ny minisitera ny OJM

27/03/2020

Malalaka manomboka izao ny mpanao gazety amin’ny fikaroham-baovao, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM),

Fahafahan’ny mpanao gazety mivezivezy Nifampiresaka tamin’ny minisitera ny OJM

Hamaky ny tohiny...

Paikady sy serasera Misy fomba fiasa tokony amboarina ihany

27/03/2020

Niteraka resabe sahady omaly ny mikasika ny fanomezana 5 tapitrisa ariary izay manome vaovao na mahatratra ilay vehivavy nolazaina fa nanely tsaho raha nilaza fa efa maherin’ny 200 isa no voan’ny Coronavirus eto Madagasikara.

Paikady sy serasera Misy fomba fiasa tokony amboarina ihany

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka malagasy Mitady ho mandrimandry manana aretina sahady

27/03/2020

Andro fahaefatra amin’ny fihibohana, andro iray taorian’ny nilazan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa tsy nahitana tranga vaovao intsony taorian’ireo olona nitondra ny otrikaretina

Vahoaka malagasy Mitady ho mandrimandry manana aretina sahady

Hamaky ny tohiny...

Halatra finday sy vola Nidoboka eny Antanimora ilay jiolahy tsy ampy taona

26/03/2020

Nalefa eny Antanimora Lehilahy iray 17 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany faha-07 etsy 67Ha noho ny resaka fanendahana.

Halatra finday sy vola Nidoboka eny Antanimora ilay jiolahy tsy ampy taona

Hamaky ny tohiny...

Kaominina ivato Zaraina cache bouche sy gel maimaim-poana ny vahoaka

26/03/2020

Zaraina cache bouche sy gel maimaim-poana fanadiovana tanana tsy mandany rano reo vahoaka ao amin'ny kaominina Ivato.

Kaominina ivato Zaraina cache bouche sy gel maimaim-poana ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Tsy hita popoka ny depiote Leva Naato amin’ny asany ireo mpitsara roa namoaka azy

10/02/2020

Mitohy ny raharaha taorian’ny fahazoan’ny depioten’i Mahabo, Raveloson Ludovic na Leva, fahafahana vonjimaika.

 

 

 

 Nahazo fampiatoana amin’ny asany ny “procureur general” sy  ny “president de la cour d’appel” any Toliara. Araka ny fanadihadiana natao, ny tsy fanajana ny antanatohatra eny anivon’ny “parquet general” no antony. Araka ny nambaran’ny mpahay lalàna iray dia tsy misy fiantraikany amin’ny didy nivoaka intsony ny fampiatoana ireo mpitsara. Fanafainganana andrim-pitsarana taorian’ny fampiakarana ny raharaha no hany sisa azo atao, hoy izy. Eo amin’ny fiandrasana ny daty hitsarana azy i Leva eo amin’ny fitsarana ambony satria ny teo anivon’ny “chambre d’accusation” no nanome izay fahafahana vonjimaika izay. Raha tsiahivina, efa nisy baiko amin’ny fanomezana fahafahana vonjimaika tamin’ny fitantanan’ny minisitra teo aloha, Randrianasolo Jacques. Ny minisitra ankehitriny anefa dia nampiato ireto mpitsara ireto noho ny tsy fanajana antanatohatra. Avy aiza izany ny baiko nahafahan’ireo tompon’andraiki-pitsarana ao Toliara nanome izay fahafahana vonjimaika izay ? Efa nisy fotoana navoaka tahaka izao nambara fa manao asa ivelan’ny fonja (MOP) izy io, saingy naverina haingana tany am-ponja, dia iny navoaka iny indray. Raha ny vaovao azo tamin’iny faran’ny herinandro iny, dia tsy mbola hita popoka i Leva amin’izao fotoana ary efa nisy ny didy fampisamborana natao. Misy anefa ny karazana hetsika milaza fa saziana amin’ny safidy ny olona nifidy azy.

Miandry ny didin’ny HCC

Etsy an-kilany koa, miandry ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny hanoloana ny depioite Hasimpirenena sy Leva ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nandefa taratasy any amin’ny HCC, ny 6 febroary lasa teo, ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine ny amin’ny hanondroana ireo izay hisolo an’ireo solombavambahoaka ireo. Samy tsy mbola nandingana ny tokonan’ny Antenimieram-pirenena, samy tsy niatrika fivoriana na in-dray mandeha aza nandritra iny taona 2019 iny, satria samy voatazona am-ponja fotoana fohy taorian’ny naneken’ny CENI ny firotsahan-kofidian’izy ireo. Notondroina ho toy ny nametra-pialana (démissionnaires d’office) izy roalahy ireo, araka ny taratasin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, noho ny tsy fiatrehana fotoam-pivoriana ara-potoana iray nefa tsy misy antony mazava. Ny HCC no manapa-kevitra sy manondro izay handray ny toeran’ny solombavambahoakan’i Fandriana sy ny an’i Mahabo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

 

Marigny A. sy Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana