Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Mandrosoa Ivato Zanaka manampahefana nandratra olona

06/02/2020

Ny alahady 02 febroary lasa teo, telo lahy nandratra sy nampihorohoro olona tao amin’ny «bar» iray tetsy Mandrosoa Ivato.

 

 

 

Mirehareha ho zanak’olona ambony : zanaka «assistant parlementaire», mahafantatra jeneraly, mpanolotsaina ary milaza ho « tsy azo atao na inona na inona », no noraofin’ny zandary, rehefa nandratra sy nampihorohoro olona tao amin’ilay toeram-pisotroana.

Nila ady

Tovolahy iray nisotrosotro teo an-toerana no nilan’izy ireo vaniny voalohany. Tsy namaly anefa ity farany, ka noborkeny teo amin’ny tanany ny sigara, sady notehafiny tehamaina. Tsy vitan’izay fa mbola nokendakendain-dry zalahy ihany koa ny tovolahy iray naman’ity farany ary naparitany ny zava-pisotro teo ambony latabatr’ireo, araka ny fanazavana. Tsy nisy namaly izy roa lahy lasibatra ary mbola noroasin’izy telo lahy tsy hijanona teo amin’ilay toerana raha tsy te hahita basy, matraque, big boss, araka ny fanazavana hatrany. Niezaka nandamina ny tompon’andraikitra tao amin’ilay bara sy ny mpanampy azy, kanefa daroka koa no setriny ary norahonan’izy ireo hakatona hatramin’ilay bara mihitsy. Nampitangorona olona mihitsy ny zava-nitranga araka ny fitantaran’ny tompon’andraikitr’ilay bar taminay omaly.

Tsindry bokotra

Niezaka nandamina ny tomponandraikitra tao amin’ilay bara sy ny mpanampy azy, kanefa mbola daroka ihany koa no setriny ary mbola norahonan’izy ireo hakatona hatramin’ilay bar mihitsy. Ny tena loza raha tonga teny ny zandary dia mbola nanindry bokotra ihany ireo milaza ho zanak`olona ambony. Tonga tao amin’ny biraon’ny zandary mbola nanompa sy nanositosika zandary. Ny zava-doza dia  nampiasa ny karatry ny rainy, izay “assistant parlementaire” ny iray amin`ireo nahavanon-doza. Tafakatra eny amin’ny fitsarana ny raharaha omaly. Natao fanadihadiana lalina ireto lehilahy novonoina kanefa toa sarontsaromana fotsiny ny raharaha. Ny talata lasa teo dia efa niakatra fampanoavana fa nahemotra omaly satria voalaza fa tsy ampy taona ny iray. Omaly indray dia tsy ampy taona ihany koa ny iray hafa. Velon-taraina ireto mpitory ary milaza tsy afa-po amin`ny valim-pitsarana satria nahazo fahafahana vonjimaika ireo telo lahy. Mitombo isa hatrany ireo olona ambony na fianakaviana manampahefana voatonontonona anatina afera fanamparam-pahefana eto amintsika. Miverina ho fanjakan’i Baroa hanjakan’ny gaboraraka sy ny kolikoly, fisehosehoana ivelany sy kabary tsara lahatra fotsiny no atao.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana