Dans la mme rubrique

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

07/04/2020

Miady amin’ny zavatra tsy fantatra sy tsy nampoizina, izay mila fahakingana. Tsy sanatriavin’ny vava mitady toerana sy mitady fahefana aho, fa te hanampy, te hizara traikefa, hoy i Marc Ravalomanana omaly tamina fandaharana manokana.

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

Hamaky ny tohiny...

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

06/04/2020

Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

Hamaky ny tohiny...

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

06/04/2020

Ny sabotsy lasa teo no nandray ireo filoham-piangonana eo anivon` ny FFKM, sy ireo filohanà andrim-panjakana,

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

06/04/2020

Fanalam-baraka, manosika ny olona tsy hitia ny filoham-pirenena no ambara fa vesatra hanenjehana an-dRahelisoa,

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...


Politique

HCC Ambohidahy Mandidy ny governemanta hanaja lalàna

06/02/2020

Nivoaka omaly alarobia 5 febroary ny fanapahan-kevitra laharana 04-HCC/D3, avy amin’nyfitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mamaly ny fitoriana napetraky ny filohan’ny

 

 

antenimierandoholona ny 14 janoary 2020 momba ireo tsy fanarahan-dalàna nataon’ny fahefana mpanatanteraka tamin’ny 2019. Azo raisina ny fitoriana, hoy ny HCC ary mila mametraka ireo volavolan-dalàna nasiam-panitsiana eny amin’ny parlemanta amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka ny governemanta mba handinihana sy hankatoavana azy ireo. Raha tsy izany dia heverina ho tsy misy sy tsy manan-kery ireo fanapahan-kevitra izay nosoniavin’ny filoham-pirenena nandritra ny fotoana nanomezana azy fahefana hanao lalàna tamin’ny taona 2019. Tamin’ny fotoana tsy nampisy ny Antenimieram-pirenena moa no voatondro tao amin’ny fitoriana ity. Raha ny voalaza ao dia tokony hampandalovina sy hankatoavina eo anivon’ny Antenimiera roa tonta ilay didy hitsivolana mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ireo Parlemanta farany teo saingy tsy tanteraka. Anisany ny didy hitsivolana laharana 2019-002 momba ny fitantanana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Manaraka ny didy hitsivolana laharana 2019-006 momba ny antenimierandoholona izay nanovana ny isan’ny mpikambana, ary ny didy hitsivolana laharana 2019-009 momba ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany. Tsy tafiditra ao anatin’ny mila averina dinihana eny amin’ny parlemanta kosa anefa ireo didy hitsivolana nanekena findramam-bola amin’ny any ivelany. Mazava ny resaka eto fa mitombina ny ahiahin’ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao sy ny fitoriana napetrany teny Ambohidahy, ary tena nisy izany ny tsy fanajana lalàna tamin’ny 2019 nataon’ny filoham-pirenena izay lehiben’ny fahefana mpanatanteraka. Maro an’ísa eny amin’ny antenimieram-pirenena ny IRD ka azo antoka fa tsy hisy olana firy ny fankatoavana ireo lalàna mila averina dinihina ireo. Manaratsy endrika indray ny fitondrana Rajoelina izao, indrindra eo imason’ny mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra iraisam-pirenena izaymanaporofo fa tsy voahaja  ny  fanjakana tsara tantana.

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana