Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fikambanana Fanantenana FAFI-5 Nanampy ireo may trano tetsy Anjanahary

05/02/2020

Tonga tam-pitiavana namangy sy nampahery ary nitondra fanampiana toy ny fanitso, vary, menaka, voamaina, koveta, siny ary kojakojan-dakozia samy hafa ho an’ireo traboina vokatry ny hain-trano teny Anjanahary II N

 

 

 ny sabotsy lasa teo ny Fikambanana mpanao asa soa sampana sosialy Fanantenana FAFI-5. Ny solombavambahoakan’ny boriborintany faha-5 Naivo Raholdina niaraka tamin’ny sampana sosialy Fanantenana FAFI-5 izay notarihan-dRamatoa Hanitriniala Raholdina vadiny no nanatanteraka ny asa. Tsy manadino ny vahoaka sahirana eny an-toerana ny Solombavambahoaka araka ny nambarany ka na misy traboina na tsy misy ary raha sendra ny loza tampoka toy izao dia tsy maintsy manampy ny sahirana foana ny tenany. Nohamafisiny ihany koa fa tsy tokony hidirana resaka politika intsony ny fanampiana toy izao fa na misy fifidianana na tsy misy dia tokony hatao foana izany ho an’ny mpiara-belona. Nanentana ny rehetra tsy ankanavaka ihany koa izy mba hanampy ireo traboina may trano ireo. Tsiahivina fa 13 ny trano hazo may kila tanteraka ary nisy 7 ny trano biriky manodidina azy izay may ihany koa.  Fianakaviana 30 mahery no tsy manan-kialofana izay notoloran’ny sampana sosialy Fanantenana FAFI-5 ireo fanampiana. Nanentana ny rehetra moa ny Depiote Naivo Raholdina mba hitandrina ary hanara-maso hatrany ny ankizy sy ny afo rehetra any an-trano mba hisorohana ny loza toy izao satria araka ny fitantaran’ny mponina teny an-toerana dia ankizy nanao “tsikoninkonina” no niandohan’ny afo. Nisaotra sy nankasitraka ny fanampiana ireo  traboina na dia tao anatin’ny fahasahiranana tanteraka aza.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana