Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanavotana tovolahy nalaina an-keriny Dahalo 2 rotiky ny balan’ny GSI tany Sakaraha

05/02/2020

Tovolahy 17 taona no nalain'ny dahalo mitam-piadiana an-keriny ny alatsinainy 3 febroary 2020 tokony ho tamin'ny 08ora maraina tao Soarano any amin’ny distrikan’i Sakaraha.

 

Rehefa nahazo fanairana ny zandary avy ao amin'ny Groupement de Sécurité Intérieure (GSI) sy ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Sakaraha fa misy dahalo efa-dahy nanafika sy naka olona an-keriny tao amin’ity tanàna ity, dia nidina ifotony avy hatrany. Tao atsinanan'i Aboka Sakaraha no raikitra ny fifandonana sy fifampitifirana tamin'ireo dahalo tamin'ny 8ora sy sasany. Vokany, avotra tsy nanahy ilay nalaina an-keriny, lavo ny dahalo roa fa ny roa kosa tafaporitsaka ka mbola atao hazalambo, araka ny fampitam-baovao. Basy poleta vita gasy iray sy bala 4 ary antsibe telo no tratra tamin'ireo dahalo izay fantatra fa samy avy any Amboasary Atsimo faritra Anôsy. Basy vita gasy, saingy hita ho tena tahaka an’ireny vita vazaha ireny, ary nisy soratra hoe Germany teo amin’ity basy ity. Tena misy toeram-pamokarana basy vita gasy tena avo lenta mihitsy eto Madagasikara. Velom-pisaorana ny Ray aman-drenin'ilay zazalahy sy ny vahoakan'i Sakaraha tamin'ny hakingana sy fahaiza-manaon'ireo zandary nanavotra tao an-toerana. Manomboka miverina ny fahatokisan'ny vahoaka ny mpitandro filaminana, hoy ny fankasitrahana.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana